Ny anay ato amin’ny Antoko Miombon’Ezaka, ny vahaolana dia ny fifidianana ihany, hoy ny filoha nasionaliny, Ravalisaona Zafisolo Clément.
Raha mivoaka ny 28 mey ny kalandrien’ny fifidianana dia efa mahazo toky izany ny vahoaka fa hifidy amin’ity taona ity. Ny manahirana amin’izao anefa, hoy izy, dia misavorovoro ny saim-bahoaka. Maro loatra mantsy ny hevitra mivoaka. Ao no milaza fa tsy fifidianana no vahaolana fa ny fampihavanam-pirenena. Tsy misy hampihavanina izany eto amin’izao tetezamita izao. Raha ilaina izany dia ny mpitondra vaovao ho lanim-bahoaka eo no fampihavanam-pirenena, araka izay programa ara-toekarena hoentiny. Ny olana dia ny hoe maninona no mitongilana ny fampandrosoana misy eto Madagasikara ? 52 taona no niverenan’ny fahaleovantenantsika nefa nahoana no mbola mijaly rano mandraka ankehitriny ny faritra atsimon’ny Nosy nefa ny sasany tsy mijaly amin’izany ? Izay fampandrosoana izay amiko, hoy ny CST Ravalisaona Clément, no fampihavanam-pirenena fa tsy hoe fanaovana tsitsika ery, na famonoana omby atsy, na fiarahana misotro toaka ! Isaka ny sabotsy sy alahady ange dia mandeha mivavaka daholo ny Kristianina rehetra ê, ny Silamo ny zoma, samy mamela ny helok’izay nanao ratsy taminy ny rehetra, efa ao anatiny izany. Tsy ny olona no tsy vonona amin’ny fifidianana, fa misy vondron’olona mahazo tombontsoa manokana amin’ny tetezamita, ary ireny no mamilivily ny resaka.
Mikasika ny fitokonana etsy sy eroa ankehitriny dia fitavozavozana hatrany am-boalohany ireny, hoy ny filohan’ny AME. Lazaina fa tsy fotoanan’ny fangatahana ny tetezamita, ny miaramila anefa nangataka nahazo, ny dokotera nanao toy izany nahazo koa, ny Seces nomena fampanantenana dia mba taitra koa ireto mpampianatra madinika ireto. Ny azy aza ny “indemnité” efa ny noraisina tamin’ny taona 1960 ihany no mbola raisina ankehitriny. Asa, mbola ao ve ilay 100 tapitrisa dolara ? Sao dia izany no tokony ho nandaminana ny raharaha ? Sa efa lasan’ny hopitaly manara-penitra ? Izany koa ve no maika amin’izao fotoana ?
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.