Politique

Rava ny antenimieram-pirenena Misy kajy maloto ny fifidianana depiote…


  • Talata 05 Febroary 2019

Tapitra tanteraka anio talata 5 febroary amin’ny 12 ora alina ny fe-potoam-piasan’ireo solombavambahoaka mandrafitra ny antenimieram-pirenena voafidy nandritra ny fifidianana natao ny 20 desambra 2013.

 

 

 

 Voafidy filohan’io andrim-panjakana io Rtoa Christine Razanamahasoa ny  18 febroary 2014, saingy 43 andro monja taorian’izay dia voaongana tamin’ny alalan’ny fifidianana indray izy. Atoa Jean Max Rakotomamonjy no filohan’io andrim-panjakana io hatramin’izao fiafaran’ny fe-potoam-piasana izao. Nahatratra 258 ireo volavolan-dalàna nolaniana tao anatin’izay 5 taona izay, ka 46 ny taona 2014, 56 tamin’ny 2015, nahatratra 60 tamin’ny 2016, 51 ho an’ny taona 2017, 43 tamin’ny taona 2018 ary 2 kosa ho an’ity taona 2019 ity. Niisa 12 ny fivoriana ara-potoana ary 11 ny tsy ara-potoana. Anisan’ny nanatsimbadika tantara teto amin’ny firenena ny raharaha fampandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana, izay feno kajikajy politika ny volana aprily 2018. Nisy ny tetikady nanilihana kandida ka niteraka ny tolon’ny fanovana nataon’ireo depiote 73 teny amin’ny kianja 13 mey, ka nahatonga ny faharavan’ny governemanta HVM sy nitsanganan’ny governemantan’ny marimaritra iraisana. Ora sisa no isaina dia ho rava ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity, ary ny filoham-pirenena no nomena ny fahefana hanao ny asany. Efa neken’ny governemanta ny tolo-kevitry ny CENI, ka ny 27 mey ho avy izao ny fifidianana solombavambahoaka. Maro anefa ny zavatra mampiahiahy amin’io, toy ny resaka daty satria ny 15 mey no tokony hikatona tanteraka ny lisi-pifidianana. Ho vita ve ny hanomana fifidianana ao anatin’ny 12 andro ? Adihevitra lehibe ihany koa ilay antoka ara-bola 5 tapitrisa ariary, izay maro no mandika azy ho fanilihana sy famerezan-jo ny tsy manam-bola, kanefa mety ho mamim-bahoaka. Natao hikarakarana ny pitsopitsony tahaka ny bileta tokana io raha ny fanazavan’ny CENI. Tsy efa ao anatin’ny kitampom-bolan’ny SACEM ve izany ? Lojika ny hahavitsian’ny mpandray anjara, ary mety hisy toerana aza kandida mpanam-bola tokana mety hatolotry ny antokon’ny mpitondra no ao, ka ho lany ho azy. Mandeha ihany koa ny resaka fa hisy toerana sasantsasany mety tsy hahazoan’ny antokon’ny fitondrana rirany, ka hoezahina hatao roa ny solombavambahoaka. Malaza hatao toy izany ny any Antalaha. Mampanahy ny ho fahadiovan’ny fifidianana !

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT