Politique

Ratsy fiafara ny olon’ny HAT Minisitra 5 no efa maty, misy ny migadra


  • Zoma 23 Desambra 2016

Tsy hay hazavaina ny toe-javatra nahazo ireo olona nitondra tamin’ny andron’ny tetezamita fa tsikaritra ho ratsy fiafara raha samy mpitondra teto amin’ny firenena ny ankamaroany.

 

 Toa nitrangan-javatra hafahafa avokoa ny ankabetsahany, ka tao ny maty, tao ny niharan’ny olana maro sosona toy ny ara-pianakaviana sy ara-politika, tao ny niharan’ny henjikenjika isan-karazany, izay misy mihitsy no migadra. Raha tao anatin’ny governemanta Monja Roindefo sy Camille Vital, ohatra, dia maromaro ireo minisitra namoy ny ainy ary tsikaritra ho ratsy fahafatesana sy tamin’ny fomba hafahafa avokoa. Nodimandry noho ny aretina tamin’ny 29 janoary 2011 ny jeneraly Ravelomanana Claude, Sekreteram-panjakana niadidy ny zandarimariam-pirenena tamin’izany. Maty vokatry ny loza an-dranomasina tany Sonieranivongo ny 28 Aogositra 2011 ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson, matin’ny lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena faha-6 ny minisitry ny serasera  Malazarivo Felix ny 4 septambra 2012. Nodimandry tampoka teo amin’ny faha-40 taonany ny 24 oktobra 2014 i Serge Ranaivo, izay efa nitana ny toeran’ny minisitry ny tanora sy ny ala voly. Niteraka resabe ihany koa ny nahafatesan’ny minisitry ny angovo Rodolphe Ramanantsoa tany Mahajanga ny 20 aogositra 2016, izay efa nitazona izany toerana izany tamin’ny andron’ny tetezamita. Tsy takona afenina ny henjikenjika mahazo ireo nitondra tamin’izany. Migadra eny Antanimora i Alain Ramaroson Filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita (CST) ary filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana tamin’izany. Torak’izany ihany koa i Augustin Andriamananoro, minisitry ny paositra sy fifandraisan-davitra. Ny kolonely Charles dia efa nolazoin’ny aretina sy efa nogadrain’ny tetezamita ihany. Ny kolonely Lylison, izay enjehin’ny mpitondra fatratra ankehitriny ary miery mandrak’androany. Maro no manana olana ara-pianakaviana, ka misy ny nisara-bady, misy ny avy bokan-trosa, ka lasa nivarotena sy nisolelaka amin’ny HVM. Anisan’ny tena nisian’ny mpamadika palitao be indrindra ihany koa iny fitondrana iny, ka ireo niaraka tamin’i Andry Rajoelina dia tsy vitsy no namela irery azy ka nanara-dia ny HVM toa an’i Maharante Jean de Dieu, Ndahimananjara Johanita, Riana Andriamandavy … Ireo nisafidy ny handeha irery toa an-dry Hajo Andrianainarivelo sy ry Camille Vital kosa dia tsy manana hery ara-politika intsony na dia miezaka mafy andro aman’alina aza. Ireo nitampikitra amin’i Andry Rajoelina dia toy ny zaza tsy misy mpiahy fa miady irery ary efa malemy tanteraka.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT