Politique

Ratsiraka sy Ravalomanana Mitovy fa tsy sahala, eo anoloan’ny fitsarana ?


  • Alarobia 21 Desambra 2011

Hatramin’izao dia mbola mandrangaranga ny fisamborana sy fanagadrana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany ireo olon’ny FAT.

 Ny didim-pitsarana maimaika nivoaka tamin’ny aogositra 2009 no ampiharina amin’izany. Voalaza fa tompon’andraikitra voalohany tamin’ny famonoana olona teny Ambohitsorohitra sy Antaninarenina tamin’ny 7 febroary 2009 ity filoha teo aloha ity no mbola nanodinkodina volam-panjakana ihany koa, raha io didim-pitsarana io no jerena. Ny somary manaitra kely amin’ity raharaha ity anefa, toa misy ihany ny resaka tombo sy hala na fanaovan’ny fitsarana zanak’ikala hafa. Ny tantara tsy fanadino ary tokony hotsaroan’ny rehetra fa nomelohin’ny fitsarana Malagasy ihany koa tamin’ny 2003 ny amiraly Ratsiraka, fanodikodinam-bolam-panjakana no niampangana azy tamin’izany, 49 miliara iraimbilanja. 10 taona sazy an-terivozona no didy navoaky ny fitsarana niampy onitra 1 tapitrisa iraimbilanja. Ny an’Atoa Ravalomanana moa dia 5 taona sazy an-terivozona miampy onitra 60 tapitrisa dolara. Tsara homarihana fa samy tsy teto Madagasikara izy mirahalahy ireto tamin’ny nanatanterahana ny fitsarana azy tsirairay avy sy namoahana ireo didy ireo. Raha ny zava-nitranga ihany koa no jerena dia samy tafiditra anatina hetsi-bahoaka nitrangana fitifirana sy famonoan’olona izy ireo.

Tamin’ny 10 aogositra 1991 sy ny tamin’ny 2001, 2002 ho an’ny amiraly Ratsiraka, ary tamin’ny 7 Febroary 2009 kosa ho an’i Marc Ravalomanana. Samy filoha voafidim-bahoaka ihany koa izy mirahalahy ireo ary mitarika ankolafy azo atao hoe lehibe amin’izao fotoana. Ny mahagaga ao anatin’izay rehetra izay anefa dia toa misy fanavakavahana ihany ny zavatra atao amin’ireto filoha teo aloha mirahalahy ireto. Navela nody an-kalalahana teto Madagasikara ny amiraly Ratsiraka. Afaka naneho hevitra politika tsara ary nihaona tamina karazana olona sy vondron’olona ary fikambanana sy antoko politika maro. Henjana dia henjana tao anatin’izany rehetra izany ny fanakianany ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina. Tsy natao na inona na inona anefa ny amiraly.

Tsy nampanantsoina teny Fiadanana na Betongolo, tsy nandefasana taratasy fampitandremana, tsy nosamborina fa dia nitsotsotra tao amin’ny Carlton. Afaka miditra sy mivoaka an-kalahahana an’i Madagasikara ny tenany, tsy mba namoahana NOTAM ho solon’ny fanomezana amin’ny noely. Atoa Marc Ravalomanana kosa anefa dia ambara fa tsy mahazo miditra eto, ary na tonga eto aza dia hosamborina sy hogadraina, satria misy ny didim-pitsarana manameloka azy ary efa namoahana didy fampisamborana izy. Inona no anton’io fitongilanana sy fiangarana miendrika fanavakavahana io ? Manoloana ny fitsarana anefa dia samy olo-meloka izy mirahalahy na tsy mbola tapitra aza ny zo ananany amin’ny fiarovantena ? Sa rehefa zokinjokiny ara-taona dia voafafa ho azy ny heloka sy ny fiampangana ? Sa kosa valim-baben’i Andry Rajoelina amin’i Deba no anton’izany rehetra izany ? Marihana mantsy fa ilay horonantsarin’ny amiraly Ratsiraka nalefa tao amin’ny TV Viva ny 12 desambra 2008 no nandrehitra ny afo ka nisian’ny fitakiana politika notarihan’i Andry TGV ka nampirodana ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny 2009. Tsy mahagaga raha hentitra amin’ny fitakiany ny ankolafy Ravalomanana satria mibaribary loatra ny fitongilanana sy fiandaniana, ary dia tadiavina hodinganina fotsiny ilay andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra momba ny fodian’ireo sesitany politika rehetra an-tanindrazana, an-kalalahana, ary tafiditra ao anatin’izany ny filoha Ravalomanana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT