Politique

Ratsiraka Didier Miady ny hiverenan-dRavalomanana


  • Talata 30 Aprily 2013

Namaly ny fanakianana azy ho mpanakarontana ny fifidianana noho ny firotsahany ho kandida ny amiraly Ratsiraka, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony tesy amin’ny Carlton.

 Nambarany fa noho ny fisian’ny siosion-dresaka manondro azy sy ny FFKM ho ao ambadiky ny fikasana hanemotra ny fifidianana mihitsy no mahatonga azy hifaninana amin’ny 24 jolay izao. Niaro tena mafy koa ny Deba momba ny filazana azy ho mibodo toerana sady tsy matoky ireo mpiara-miasa aminy matoa mbola mirotsaka hofidiana ihany. “Olona novolavolaiko avokoa anie ny ankamaroan’ireo kandida filoham-pirenena ireo e ! Misy aza nalefako masoivoho tany ivelany nefa mamadika ahy ankehitriny”. Na dia tsy nanonona anarana aza ny amiraly Ratsiraka dia i Pierrot Rajaonarivelo no tiany horesahana. Mikasika ny fepetra enim-bolana takian’ny lalàna, tokony hipetrahan’ny kandida manam-paniriana hofidiana, dia nanazava i Didier Ratsiraka, fa tsy manana fanamarinam-ponenana any Frantsa ny tenany.

Ankoatra izay dia nambarany fa efa hatramin’ny 01 desambra 2011 izy no mandray anjara amin’ny hofan-trano sy ny fandoavana faktioran’ny Jirama amin’ny trano ipetrahany eny Ambohitrarahaba. Notsikafoniny indray koa moa ny taratasy nalefany tany amin’ny mpitondra ny tetezamita, mitaky ny hanomezana azy trano solon’ny azy eny Mangarivotra Faravohitra, nomena ny sampana manenjika ny kolikoly, saingy tsy nisy valiny tato anatin’ny roa taona izao.  Milaza ho mbola manana ny tanjaka ara-batana hitantanana ny firenena mandritra ny 5 taona manaraka koa ity filoha teo aloha ity. Alohan’ny zava-drehetra anefa, hoy izy dia tanterahana aloha ny fampihavanam-pirenena izay tokony ho vita mialoha ny fifidianana. “Mba tsy handringa dia tokony hanatrika izany ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy izaho anefa no manapaka”, araka ny fanazavany hatrany.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT