Politique

Ratsirahonana sy ny AVI Tsy mipoipoitra fahatany fa ao raha…


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Tsy tongatonga foana fa mamofompofona toe-draharaha lehibe eto amin’ny firenena rehefa Atoa Norbert Lala Ratsirahonana no mipoitra tampoka sy re indray eo amin’ny tontolo politika.

 

 

 

 Rehefa tsy re sy tsy hita tao anatin’ny fotoana naharitra, dia io indray izy fa nifoha, ary hanetsika ny antokony sy ny olony amin’ny alalan’ny fihanaom-be etsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny 24 janoary izao. Hatreto, dia manamafy ny fanohanany ny fanjakana Rajoelina ny tenany. Tsy fantatra mazava izay tena anjara toerany ao anaty fanjakana, ary toa tsy nitady izany izy. Na ireo mpahay lalàna ampiasain’ny fanjakana aza, dia tsikaritra fa nosokafana kokoa tamin’ny tanora, hany ka toa tsy re feo firy ity olobe galifantsy amin’ny sehatry ny lalàna sy ny kajikajy politika ity. Asa na niasa nangina na somary anjorom-bala ? Nanao ny mafana sy ny mangatsiaka teto amin’ny firenena foana ny tenany tao anatin’ny fanjakana nifanesy. Tompondaka tamin’ny karazana kajikajy politika ary na ny lalàmpanorenana eto aza dia misy dian-tanany. Saika niaraka tamin’ireo mpitondra nifanesy teto, raha tsy hilaza afa-tsy i Marc Ravalomanana, izay nisy ny lonilony teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany na anisan’ny nanana dian-tànana tamin’ny fametrahana an-dRavalomanana aza izy tany am-piandohana. Nanana anjara goavana tamin’ny raharaha 2009 tamin’ilay “ordonnance” nentina nilazana fa ara-dalàna ny fakan-dRajoelina ny fahefana rehefa nomen’ny tafika azy, taorian’ilay gidragidra nandraisana vozon’akanjo ireo manamboninahitra ambony nomena ny fahefana hitantana ny firenena. Niogana i Marc Ravalomanana, dia tao anaty tetezamita indray izy. Tonga ny fifidianana 2013 ka nahalany an-dRajaonarimampianina, dia nitsipaka an-dRajoelina indray na tsy tena nanana toerana ofisialy mazava tao anaty fanjakana aza. Ireny indray no niafaran’ny fanjakana Rajaonarimampianina, dia izy niverina niara-dia tamin-dRajoelina. Tsy hay na fifanandrifian-javatra fa toa potika izay miady aminy, ary saika nisy ny dian-tanany hatrany ny fiovaovan’ny mpitondra teto. Mafampana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, dia io fa mipoitra tampoka indray izy, izay heverina ho tsy tongatonga ho azy fa ao raha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT