Tsy afa-belan’ny fivakisana ihany koa ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) an-dRatsirahonana, satria fara fahakeliny dia mizara telo ity antoko ity, na dia miezaka mafy manambara aza ireo mpanao politika ao anatiny fa tokana ihany ny AVI.
Eo aloha ireo manohana tsy miafina mihitsy an’i Hajo Andrianainarivelo, tahaka an-dry Laurent Ramaroson sy Jean Jacques Rabenirina, ao koa ireo manohana ny kandidan’ny TGV, ary misy ampahany lasa any amin’i Sylvain Rabetsaroana natolotry ny PNJ-Mazava. Ambaran’ireo lohandohan’ny mpisorona moa fa hajaina ny lalàna mifehy ny antoko, fa hajaina ihany koa ny fahalalahan’ny mpikambana tsirairay ao anatiny. Eo no somary mahagaga satria mba hafahafa ihany raha olona manana toerana ambony ao amina antoko iray no manohana kandida atolotry ny fikambanana na antoko politika hafa. Raha ny lojika dia ny kandida natolotry ny antokon’i Andry Rajoelina no notohanan’ny AVI, amin’ny maha ankolafy Rajoelina azy, ary tokony nanaovana fanambarana ofisialy mihitsy izany.
Noho ny tsy fisian’ny toromarika mazava anefa dia lasa samy manao izay tiany ireo mpitarika, very fanahy mbola velona ny mpikambana ao amin’ny antoko, ka rehefa izay no mitranga dia ho vaky ho azy ilay antoko, dia izay no izy. Hita fa nanimba ny antoko Asa Vita no Ifampitsarana ny fikasohan-dRatsirahonana be loatra tamin’i Andry Rajoelina. Variana tao an-dapa ny lehilahy ka tsy mba nikarakara ny antokony.
Tsy azo lavina fa mafy sady namela takaitra tamin’ny AVI ny vokatry ny latsabato tamin’ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 3 desambra 2006, izay nahazoan-dRatsirahonana Norbert Lala, filoha mpanorina sady kandidan’ny AVI, ny salanisa 4% tamin’ny vato manan-kery. Tsy nahaverina ankory ny anto-bola tsy maintsy arotsaky ny kandida akory mantsy raha efa mba nahazo 10% mahery tamin’ny 1997. Raikitra ny fifidianana vao tsy hita izay ho atao, ny zanaka tao an-trano efa samy nikopak’elatra nitady izay mahametimety azy daholo, ingahy Ratsirahonana Norbert Lala moa dia mazava fa matahotra hotsarain’ny vahoaka amin’ny latsa-bato matoa tsy sahy nitotsaka intsony. Porofo izao fa tombontsoa manokana sy fitiavana hahazo fahefana fotsiny no niarahan’ny mpanao politika tamin’i Andry Rajoelina fa tsy nisy resaka fotokevitra mazava hampandrosoana ny firenena. Natao resaka am-bava fotsiny ilay hoe fanovana dia io mipatitaka io daholo ny antoko sy vondrona politika ao amin’ny ankolafy Rajoelina e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.