11 febroary 1975-11 febroary 2020, 45 taona katroka anio 11 febroary 2020 ny nahafatesan’ny Kolonely Ratsimandrava,
izay maty nisy namono enina andro monja taorian’ny nandraisany ny fahefana maha filoham-panjakana azy ny 5 febroary 1975. Tantara lava fa ny fatiny no hita tao anatin’ny fiara Peugeot 404 berline nitondra ny laharana 0191 TH tamin’izany. Efa dosie nikatona ny fikarohana ny momba ny marina satria efa nihoatra ny 40 taona na nisy ihany aza ny fitsarana miaramila. Tsy nety nipoitra sy tena nivoaka ny marina, izay manaporofo ny maha famonoana ara-politika (assassinat politique) azy. Nandeha ihany ny fikarohana sy fanadihadiana maro samihafa, saingy nijanona ho fikarohana sy petra-kevitra ireny tamin’ny ankapobeny. Andro vitsy taorian’ny nahafaty ny Kolonely Ratsimandrava aza, dia maty nisy namono ny Commissaire Ranaivoson, izay niandraikitra ny fanadihadiana.
NOTIFIRINA TAO AMIN’NY BIRAO ?
Ny mpahay gazety zokiolona Latimers Rangers, ohatra, dia efa naneho hevitra niainga tamin’ny bokin’ilay mpanoratra Frantsay Françoise Lesourd mpampianatry ny oniversiten’i Nantere Paris VII, fa " Tsy maty teo amin'ny komisarian'Ambohijatovo ny Kolonely Ratsimandrava fa notifirin'Andriamatoa Jules Andriamahazo Revolver tao amin'ny biraony noho ny fifamaliana nifanaovan'izy ireo izay vao nentina amin'ny fiara napetraka eo Ambohijatovo hanaovana an'ilay mise en scène". Efa nandiso an’io moa ny fianakavian’ny Jeneraly Andriamahazo.
SINEMA EFA TSARA HOMANA…
Itompokolahy Jacob Andriambelo mpanao gazety zokiolona ihany koa dia naneho fa mampalahelo ny milaza azy fa tsy ho fantatra mihitsy, ary mino aho fa tsy ho fantatra ny namono azy. Ny hoe Zimbo no namono azy, dia natao fitaovana fa efa sinema ireny. Nisy 5 lahy ny Zimbo napetraka teo Ambohijatovo hoe nitifitra, ary avy eo anefa ireo nisy nitifitra ary maty niaraka tamin’ny basy marovava jiosy, araka ilay hira malaza. Efa talohan’izany no maty, ary teo Antsahamanitra no efa nisy nitifitra, fa nentina teny Ambohijatovo,... Tsy Ratsiraka, tsy Jules Andriamahazo, ary ny Club 48 tsy namono azy mivantana, hoy izy. Ny nampifandray tendro ny « Club 48 » sy ny vazaha tamin’ny Repoblika voalohany, dia hoe tsy ekena raha ny fiavian-dRatsimandrava no atao filoha, ary tsy hanaiky izany mihitsy ny merina. Rahefa tsy merina tahaka an-dRamanantsoa dia tokony ho « côtiers”. Izay no mety hoe nisian’ny “coste amis” teo amin’ireo andriana mpanakarem-be sy ny Frantsay, raha ny fanehoan-keviny.
NANANA FAHAIZA-MITARIKA SY FAHASAHIANA
Ny tsy azo lavina, dia nisy antony goavana namoana azy. Fony minisitry ny atitany, dia efa nanana fomba fitarihana nahasarika vahoaka tamin’ny alalan’ny rafitra “fokonolona”. Naneho fahasahiana sy fitiavan-tanindrazana ary nanana ny lohany, ka nanembantsembana ny hafa. Hentitra tamin’ny fampandrian-tany tany Atsimo, ary nanana paikady goavana tamin’ny fandaminana ny tany. Neken-teny, ary tena mpitarika (leader), ka nofofoina ny ainy. Tsy teto Madagasikara ihany, fa ny firenena Afrikanina dia tena tompondaka amin’io. Izay angamba no maha taraiky ny ankamaroany satria tsy mety tafapetraka ny fitoniana. Nanomboka ny taona 1961-2011, dia 23 ny filoha Afrikanina novonoina, toa an’i Patrice Emery Lumumba tany RD Congo ny 1961, Ratsimandrava ny 1975, Thomas Sankara tany Burkina-Faso ny 1987, Juvénal Habyarimana tany Rwanda ny 1994,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.