Anisan’ny mety hampiavaka an-dRatrema William, filohan’ny vondrom-panabeazana Aceem no sady kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny 24 jolay ho avy izao ny fananany mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra marobe handatsa-bato azy. Nambarany ny sabotsy teo anefa, fotoana nivoahan’ny lisitr’ireo kandida tamim-pomba ofisialy ka nahatafita azy fa safidiny manokana ny hirotsaka hofidiana. Tsy hanery ireo olona ao aminy handrotsaka vato ho azy izy, araka izany, ka tafiditra ao ny tsy fampanaovana fampielezan-kevitra ny mpianatra sy ny mpampianatra. Natsipiny tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra marobe izany teniny izany narahiny hoe : manana safidy malalaka ny rehetra na ny ray aman-dreny na ny mpampianatra na ny mpianatra satria olona mpanaja ny mpiara-monina loatra izy. Mikasika ny vinam-piarahamonin’ity kandida iray ity dia nambarany fa laharam-pahamehany ny famerenana ny hasin’ny firenena Malagasy sy ny vahoaka ao aminy ka anisan’ireny ny fanomezana asa ireo tsy an’asa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.