Politique

Ratrema William “Mampalahelo ny zava-mitranga”


  • Sabotsy 27 Jolay 2013

Mikatso ny raharaham-pirenena, mampalahelo ny zava-mitranga ! Io no nambaran-dRatrema William, filohan’ny vondrom-panabeazana Aceem no sady kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Notsongainy manokana tamin’izany ny zava-nitranga teny Analakely ny alatsinainy sy ny talata lasa teo ka nisamborana an-dRazafiarison Laza, Sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena sady kandida filoham-pirenena. Nambarany fa tena tsy misy fitsimbinana ny maha olona intsony ny fihetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ireny fotoana ireny. Samy Malagasy anefa isika, hoy Ratrema William, ka tokony hisy ny fifampitsinjovana na inona na inona tsy fitovian-kevitra. Notsindriany ihany koa fa olona atahorana handositra na nanao ratsy be no tazonina am-ponja vonjimaika raha araka ny lalàna. Nandritra ny fotoana nitondrana am-bavaka ho an’ireo mpanala fanadinana manaraka “cours” ao amin’ny vondro-panabeazana ACEEM tetsy amin’ny EKAR Faravohitra moa no nanambaran’ity kandida ity ny heviny mahakasika izany omaly. Fotoam-bavaka izay efa fanaon’izy ireo isan-taona nentina nampaherezana ny mpianatra sy nananarana azy ireo faramparany ny amin’ny fomba hiatrehana ny fanadinana mba hahazoana vokatra mahomby.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT