Ratrema William, mpampianatra mpanabe, fotsy volo tamin’ny resa-panabeazana sady kandida filoham-pirenena no vahiny anio. Notsoriny fa fotoam-piasana iray ihany no hataony raha lany filoha izy. “Hametraka ny fototra no tanjoko”, hoy izy. Sokela.
Tia Tanindrazana(TT) : Mitotongana ny fanabeazana, tsy mahatsiaro tena ho tomponandraikitra ve ianao izay 40 taona mahery tamin’io sehatra io ?
Ratrema William (RW) : Raha ny marina dia samy tomponandraikitra avokoa isika rehetra. Na izahay mpanabe koa aza dia manontany tena sao nisy andraikitra tsy vita tsara. Nanao izay faraheriko aho tamin’ny fanatanterahako ny andraikitro na teo amin’ny fiezahana hifehy ny asam-pampianarana na teo amin’ny fanampiana ny mpianatra amin’ny fandrantoana fahalalana. Izay no antony namoahako boky fampianarana maromaro satria tsy ampy ny boky ampiasaina. Nahazo ny lokan’ny Akademiam-pirenena tamin’ny fotoan’androny ny iray tamin’ireny ary misy koa ny mbola ampianarina any an-tsekoly amin’izao. Boky fianarana ny teny sy ny kolontsaina ary literatiora Malagasy izy ireo na dia nandalo tamin’ny sekoly manofana mpampianatra amin’ny teny frantsay tany ivelany aza ny tenako. Niezaka ihany koa aho tamin’ny fanatsarana ny fari-pahaizan’ny tena satria mpampianatra mpiasampanjakana teny amin’ny EPP no nanombohako ka tafakatra hatreny amin’ny Oniversite. Efa mpampianatra tao amin’ny ivontoeram-panofanana mpampianatra “Niveau 2”, tao amin’ny “Institut National Pédagogique” nizara ny teknikan’ny fampianarana sy ny fotokevitra itondrana ny fanabeazana mba tsy hianona fotsiny amin’ny fampitana fahendrena ary nampianatra 30 taona tao amin’ny ivotoeram-panofanana mpampianatra “Niveau 3” (ENS ankehitriny) sy tale tao an-toerana nandritra ny 10 taona koa. Niady ny tsy hanakatonana ny fanofanana mpampianatra tao aho raha nanana izay fikasana izay ny fanjakana tamin’izany fotoana.
TT : Raha lany ianao, hanova ny rafi-pampianarana ve sa inona no tokony hahitsy aminy ?
RW: Ampifamatorana amin’ny politikam-pampandrosoan’ny firenena sy ny politikam-pampandrosoana isan-tsehatra no andrafetana ny zotram-pianarana. Manomboka any amin’ny ambaratonga voalohany izany hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Ny fanontaniana mipetraka amin’izao dia hoe : inona no fantatry ny ankizy manana Cepe sy Bepc momba ny faritra misy azy ? Tokony hisy fiofanana arak’asa anefa omena ireny tanora ireny eo anatrehan’ny firoboroboan’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, ohatra. Tsy voatery hiakatra eny amin’ny oniversite mantsy ny mpianatra rehetra nefa mila manana anton’asa mahavelona koa izy. Ny olana mantsy dia tsy manana “référentiel” milaza ny filan’ny firenena isika ankehitriny. Tokony ho fantatra avokoa anefa ny filàna isaky ny sehatra. Raha tsy izany dia lasa karazana varotra ny fampianarana. Malaza, ohatra, ny fianarana momba ny lalàna dia mihazakazaka any avokoa ny tanora nefa izay ve no filan’ny firenena. Raha fehezina dia misy fanamboarana tsy maintsy atao mba tsy hamolavola manampahaizana isika nefa tsy an’asa akory ry zareo avy eo. Heveriko fa tokony hazava amin’ny mpianatra koa ny tontolo izay hovantaniny, indrindra ny lafiny ara-toetsaina. Samihafa amin’ny fianarana rantovina matetika ny zavatra hitany eny amin’ny fiarahamonina.
TT : Hiresaka ny antony nirotsahanao isika, tsy fahatokisana ny tanora ve no maha kandida anao ?
RW : Tsy hoe tsy fahatokisana ny tanora akory fa fandraisana andraikitra. Mifameno mantsy ny tanora sy ny zokiolona manana traikefa. Heveriko fa mila raiamandreny handamina izao zava-misy izao. Tsy olona hitroatra na hanakorontana no ilaina fa olona handamina sy hitondra fitoniana ary afaka miara-miasa amin’ny ankolafin’olona rehetra. Izay no mahatonga ilay fandraisana andraikitra. Tsoriko fa fotoam-piasana iray ihany no hataoko raha lany filoha aho satria hametraka ny fototra no tanjoko.
TT : Miresaka korontana sy fandaminana ianao, ahoana no fahitanao ny fanapahan-kevitra sy fihetsiky ny GIC-M ireny ?
RW : Tsotra fotsiny. Tsy tokony ho nitranga ireny raha haintsika Malagasy no niray hina sy nanome hasina ny firenena. Tsy ho afaka niteny ireny akory ry zareo raha nahay nifanaja isika. Araraotiny ilay fahadisoantsika satria manana zavatra kendrena zareo. Mahamenatra tokoa ireny satria firenena mahaleotena i Madagasikara nefa omen’ny vahiny lesona. Tokony hanao sahala amin’ireo vahiny koa isika. Lazaina fa “mody miady ny vazaha” fa miray hina izy rehefa misy tombontsoa iarahana. Momba ny fanapahan-kevitry ny CES indray dia tsy anjaranay no mitsikera didim-pitsarana.
TT : Tsy ny toeran’ny mpampihavana ve no mety kokoa aminao noho ny kandida ?
RW : Filohan’ny Malagasy rehetra ny filoham-pirenena fa tsy filohan’ny ankolafin’olona. Marina ny voalazanao raha mbola hanao sahala amin’ireo filoha mahazatra hatramin’izay ny filoha ho lany eo. Tsy izay anefa no hataoko raha izaho no lany. Ohatra iray no omeko anao. Tamin’ny alalan’ny fifidianana nisy fihodinana in-droa no nahalany ahy filohan’ny ENS teo aloha nefa ireo mpifaninana tamiko no tena niarahako niasa sady nalefako niofana tany ivelany.
TT : Nanatrika ny lanonana tamin’ny fetim-pirenena frantsay ianao nefa tsy teny Mahamasina tamin’ny 26 jona ?
RW : Rehefa nahazo fanasana ny tena dia manome voninahitra ilay mpanasa ka mamaly ilay fanasana. Tsy ny fetim-pirenena frantsay ihany no natrehako fa ny an-dry zareo Amerikanina koa ary vao naharay ny fanasan’ny masoivoho Indonezianina koa izao. Tsy teny Mahamasina aho satria tsy voaasa.
TT : Diso fanantenana amin’izao zava-mitranga izao ve ianao ?
RW : Sahala amin’ny olompirenena rehetra dia diso fanantenana ny tenako. Ny fitondrana rehetra nifandimby dia samy nanana finiavana sy programanasa tsara avokoa nefa izao iaraha-mahita izao ny zava-misy. Tsy ny krizy tao anatin’izay 4 taona ihany no mahatonga an’io fa fitambaran’ny zava-nisy tao anatin’ny 53 taona. Izay no mahatonga ahy hilaza fa samy tomponandraikitra avokoa isika rehetra. Tokony ho tonga saina ny mpitondra nifandimby sy ireo mikasa handray andraikitra hiray hina hanarina ny firenena. Soa kenda hahay hitsako ka rehefa hita avokoa ny lesoka rehetra dia afaka manarina amin’izay. Tsy misy anjely ihany koa anie fa olombelona avokoa.
TT : Misy mampirisika hanao fifidianana ankoatra ny filoham-pirenena. Ny hevitrao ?
RW : Ny fifidianana fioham-pirenena ihany no tokony halefa aloha satria io no fomba ahazoana mametraka haingana tomponandraikitra iray eto amin’ny firenena ahafahana manarina izao korontana izao. Isaorana an’Andriamanitra fa tsy misy ny ady an-trano noho ny fahendrena efa ao anatintsika.
TT : Ho vita anatin’ilay fe-potoam-piasana iray nolazainao ve ny fanarenana izao fahapotehan’ny toekarena izao ?
RW : Tena sarotra tokoa ny fanarenana fa matoa mandray andraikitra ny tena dia mino fa azo atao ilay fanarenana. Tsy ho vita anaty fotoam-piasana iray anefa izany fa ny fototra angamba no hipetraka. Mba hisian’ny fiaingana vao dia mila jerena ny lalàna mifehy ny fifaninanana, ny fanomezana hasina ny mpandraharaha Malagasy mba tsy ho tompony mpangataka atiny izy. Ahantona avokoa ireo fahazoan-dalana mitrandraka harena ankibon’ny tany mandrapandamina ilay sehatra raha hatsaraina kosa ny fifanarahana amin’ireo orinasa efa tena mihodina. Jerena koa ny fanomezana fiahiana ara-tsosialy ny tantsaha amin’ny alalan’ny “Mérite Agricole”, “Crédit Assurance Retraite” toy izay ataon’ny Cnaps amin’izao. Mila mampitombo isa ireo teknisianina tena mifanosina amin’ny tantsaha miofana amin’ireny “lycée agricole” ireny. Misy fomba samihafa koa hanokafana ireo orinasa mikatona. Miara-miasa amin’ny “Parti Travailliste” rahateo izahay izay mikatsaka ny hanomezana asa mendrika.
TT : Ny teninao farany ary ?
RW : Ny foto-kevitra voiziko hatrizay fa tsy amin’izao fifidianana izao ihany dia ny fiezahana mandresy lahatra ny tanora Malagasy fa manan-kasina izy ary tsy latsa-danja noho ny hafa. Noho izany, mendrika ny hajaina izy. Ampianarina hanaja tena ny tanora mba hahay hanaja ny hafa. Rehefa mahay mifanaja ny olona dia tonga ny fihavanana ka afaka miara-miasa mampandroso. Ny olantsika eto dia ny fianarana ny demokrasioa tandrefana izay mifanevateva rehefa tsy mitovy hevitra. Harena anie ireny olona tsy mitovy hevitra amin’ny tena ireny fa tsy tsapan’ny olona. Hamerina izay fanomezan-kasina izay no anisan’ny antony hirotsahako.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.