Manoloana ny sahoan-dresaka sy ny ahiahin’ny maro manodidina ny hoe hisy fifidianana filoham-pirenena ihany ve amin’ny 25 oktobra 2013 sa tsia ary koa eo anatrehan’ireo ankolafin’olona milaza fa tsy afa-po amin’ny fikarakarana ny fifidianana noho ireo fanapahan-kevitra samihafa noraisina manodidina izany dia mihevitra Atoa Ratrema William fa fotoana tokony hirosoana amin’ny fifidianana izao satria efa ela loatra ny niandrasana izany, amin’ny maha-dingana hialana amin’izao krizy lavareny izao azy na dia misy fanapahan-kevitra tsy mahafa-po raisin’ireo tompon’andraikitra aza. Betsaka ny dingana efa vita, hoy Atoa Ratrema William ka tsy tokony ho very maina ireny. Sarotra, hoy izy, ny hahita fitovian-kevitra tanteraka amin’ny raharaha politika toy itony na dia mety ho maro aza ny olona ho very zo sy tsy te haneho ny safidiny noho ireo kandidà voailika. Amin’ny maha-kandidà ny tenako hoy Atoa Ratrema William dia heverina fa misy foana ny fifanatonana azo atao.
Mahakasika kosa ny endrika tsy fanarahan-dalàna miseho amin’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana dia tsy nanome tsiny loatra ny tompon’andraikitra mikarakara fifidianana momba izany ny kandidà Ratrema William. Manahirana ny fikarakarana fifidianana, hoy izy, saingy andraikitry ny kandidà tsirairay sy ny mpomba azy avy, na ny olom-pirenena ny mampiseho fahendrena amin’ny fanajana ny lalàna velona. Tsy azo resahina fotsiny ny endriky ny tsy fanarahan-dalàna miseho tato ho ato satria miara-mahita izany ny olom-pirenena na dia tsy miteny aza, fa ny mpilatsaka hofidiana tsirairay no aleo hieritreritra hoe manara-dalàna ve izy ireo amin’ny hetsika ataony sa tsia ?
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.