Tonga nihaona tamin’ny vahoaka ao amin’ny Fokontany Tsiadana, Boriborintany faharoa ny kandida Ratrema William mivady sy ireo mpanohana azy omaly, hetsika izay nitohy teny amin’ny Marais Masay. Samy niaiky ireo tonga nanoina ny antsony fa anisan’ny olona manam-pahendrena Ratrema William no sady efa nahavita be teto amin’ny firenena, indrindra fa teo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Nambaran’ny kandida fa vonona izy ny hanohy ireo ezaka efa natombony. Ankoatra ny resaka fanabeazana toy ny famerenana ny hasin’ny mpitondra, ny mpampianatra izay hamerina amin’ny laoniny ny hasin’ny firenena, ny fanomezana hasina ny fitsarana, dia hiezaka ihany koa ny tenany hanatsara ireo CSB II sy CSB I rehetra misy mba hahazoan’ny olona mitsabo tena maimaimpoana, ny fanomezana asa ny tanora amin’ny alalan’ny fanokafana ireo orinasa efa nikatona, ny fiarovana ny harem-pirenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.