Tsy tokony ho ela ny fahitana vahaolana eto amin’ity firenena ity, hoy Atoa Ratolojanahary mpiaro ny zon’ny mpanjifa.
Ny miaramila no tena anisan’ny vato misakana ny amin’izany ary ny lehibeny ao ambony ao mihitsy no tena olana, hoy izy. Ohatra iray nentiny nanohanana ny heviny ny filazany fa talohan’ny niakaran’ny jeneraly iray handray ny mariboninahitra anisan’ny ambony indrindra amin’io grady io dia niteny mihitsy izy hoe : «inona moa no hidiran-dRavalomanana eny Ivato fa te hiditra amin’ny maha-«rôla» azy izy fa naninona raha niditra tany Morondava ?». Tena hita hoe misy fiandaniana mihitsy izany, hoy Atoa Ratolojanahary, kanefa aoka ho fantany fa na tia azy izy na tsy tia azy dia filoham-pirenena lanim-bahoaka iny ary niala teo amin’ny fitondrana tamin’ny fomba tsy tony. Tsy tony satria tao anatin’ireny savorovoro ireny, ny omalin’iny izy mbola niteny fa izaho tsy hiala eto, ny ampitso anefa dia lasa voadaka tampoka teo.
Efa lasa aza izy vao nalefa ny vaovao mahakasika ny hoe famindrana fahefana tamin’ny sivily hafa. Ny miaramila dia anisan’ny mahalala zavatra be dia be ny amin’izany ka tokony hangina tsy hiandany amin’iza na iza. Mbola hizingiziniko, hoy Atoa Ratolojanahary, fa ny miaramila no tompomarika amin’ny tsy fivoahan’io olantsika io. Mbola miaramila, hoy izy, no nahasahy niteny amin’ny mpanao politika farany teo hoe : “aoka tsy ho karamainareo vola ny miaramila fa manjary mampisafotofoto ny zava-drehetra”, ary tsy vitan’izay fa mbola miaramila koa no sahy nanondro am-pahibemaso ny gradiny hitan’ny maro tamin’ny fahitalavitra sady niteny hoe : “Rajoelina no nahazoako an’io”. Miandany ny miramila no dikan’izany fa dia ho raiketin’ny tantara izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.