Vahinin’ny Gazety Tia Tanindrazana anio Atoa Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, Talen’ny fanohanana sy ny fitantanana ifotony ao amin’ny Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sady mpandrindra ny «Cellule de crise Interministérielle des Agents de l’Etat». Horesahina ny amin’ny anton-diany tao Ambositra sy ny fomba fahitany ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Fanadihadiana.
Tia Tanindrazana (TT) : Nambaranao tamin’ny lahateny nataonao tao amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary Ambositra niaraka tamin’ny mpampianatra ao amin’ny SEMPAMA Amoron’i Mania ilay «Cellule de crise Interministérielle des Agents de l’Etat» na ny fivondronamben’ny mpiasam-panjakana manao fitakiana eo anivon’ny Ministera. Inona sy ho aiza ary hanao inona io rafitra io ?
Ratolojanahary Maharavo (RM) : Misaotra anareo eto amin ‘ny Gazety Tia Tanindrazana nanasa anay. Voalohany dia natsanganay mpiasam-panjakana eo anivon’ny ministera isan-tsokajiny ity rafitra ity mba hanatsaranay ny fari-piainanay mpiasam-panjakana sy ny asam-panjakana manoloana ireo fitakiana maro tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Tsangan’olona avy amin’ny ministera maro no mivondrona ato amin’ity «Cellule de crise» ity izay ahitana SEMPAMA, Paramed, mpitsabo mpiasam-panjakana, SECES, mpiasan’ny Banky foibe, mpiasan’ny Caisse d’Epargne, SMM …. Hanao fitokonam-be ao Antananarivo izahay ny alarobia 11 jolay 2012 ka nanentana ireo mpiasam-panjakana taty amin’ny Faritra Amoron’i Mania hanaraka izany no anton-dia.
TT : Inona no tena tanjon’ilay fitokonam-be hataonareo io ?
RM : Fanairanay mpiasam-pajakana rehetra ny fitondram-panjakana mba hamaly haingana ireo fitakiana marobe efa natao izay tsy maintsy ahitanay vokatra ato anatin’ny fotoana fohy. Ela izay nandrirariran’ny mpitondra anay izay ka omenay hatramin’ny faran’ity volana jolay ity izy ireo hanome vahaolana. Tsy misy endrika politika ny fitakiana fa hetsika sendikaly toy izay efa nataonay hatramin’izay ary tsy misy hiasa avokoa ny mpiasam-panjakana rehetra manerana ny Nosy manomboka eo.
TT : Inona no mbola vato misakana eto ?
RM : Ny olana misy eto amintsika aloha dia ny fisian’ny famafazan-dainga ataon’ny mpitondra. Tsarovy tsara fa efa hatramin’ny taona 2009 no niandry ny fiverenan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny vahoaka Malagasy nefa nosakanan’ny FAT hatramin’izao. Rehefa mihatery ny lalan’ny FAT vao manaiky hihaona amin’ity Filoha teo aloha ity. Fa maninona no tsy efa tamin’ny taona 2009 na 2010 no natao ny fihaonana fa amin’izao fahavoazana marobe efa mianjady amin’ny firenena izao vao mikoropaka ? Tsarovy tsara fa tsy mbola nahazo fankatoavana iraisam-pirenena io fitondrana io hatramin’izao nefa raha hampitamberina ny tantara isika dia samy nahazo izany avokoa ireo nitantana ny tetezamita hatramin’ny taona 1972-2002. Midika izany fa tapitrohatra loatra ny lainga afafin’ireo mpitondra amin’izao fotoana izao.
Ny vahoaka Malagasy no azon’izy ireo andaingana fa ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy azo anaovana izany velively. Raha manao fitakiana ny mpiasam-panjakana dia ambaran’ireo mpitondra ireo fa manongam-panjakana. Tokony hisaina ny vahoaka Malagasy fa raha sanatria mahazo fanjakana eo ireo amin’ny Repoblika faha-4 dia zava-doza no hiseho eto. Amin’izao tsy mbola misy fifidianana izao dia tsy maintsy ataonay mpiasam-panjakana ny hahazoanay ny zonay fa raha tsy azo amin’ity izany dia tsy azo intsony satria teren-ko masaka avokoa ny zavatra atao eto. Ampy izay ny lainga sy ny famendrofendroana ary ny fitapitaka samihafa, tsy hanaiky izany intsony ny vahoaka.
TT : Nanakoako teto Ambositra ny fitokanana zava-bita tamin’ny 20 jona lasa teo. Ahoana ny fomba fahitanao ireny fitokanana ireny ?
RM : Ireny no atao hoe “fampandriana adrisa” no sady fanomanan’ny Praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana Atoa Hajo Andrianainarivelo ny filatsahan-kofidiany sahady amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Efa mangalatra “départ” izy dia manao ireny fihetsiketsehana ireny mba halaza aty Amoron’i Mania ihany koa.
TT : Maro ny sokajin’olona mitaky ny fanoloana ny Lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania. Ny fahitanao izay fitakiana izay ?
RM : Marina tokoa izany, saingy izao, tsy vitan’ny fanaovana fitakiana tsotra ny fialany teo fa aleo isika miandry ny fihaonan’ny Filoha teo aloha Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina raha ho tanteraka dia hiova sy tsy maintsy miala ireo. Tsy ny vahoaka eto Amoron’i Mania irery anie no mangataka ny fanesorana ny Lehiben’ny Faritra fa ny Faritra 22 mihitsy satria tsy mandeha intsony ny raharaha ety anivon’ny Faritra amin’izao fotoana izao e ! Mbola arovan’ny Praiminisitra lefitra, Hajo Andrianainarivelo avokoa ireo Lehiben’ny Faritra ireo sady mpiara-miasa aminy akaiky ka izay ny antony tsy hisian’ilay fanesorana. Aleo ho hitan’ny fanjakana vaovao hiorina eo ireo Lehiben’ny Faritra ireo fa aminay aloha dia tsy maintsy vitaina amin’ity volana jolay ity avokoa ny famahana ny olona misy eto amin’ny firenena. Raha dila io fe-potoana io dia ho avy indray ny vahaolana avy aty aminay manaraka.
Nangonin’i Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.