Politique

Ratolojanahary Maharavo (Doudou) Enjehin’ny minisiteran’ny Atitany


  • Talata 07 Jona 2016

Naharay taratasy fangataham-panazavana avy amin’ny minisiteran’ny Atitany Ratolojanahary Maharavo (Doudou) iray amin’ireo mpitarika mafana fo ao amin’ny AFO sendikaly, ny 1 jona teo.

 

 Fanalam-baraka miharo fisandohana andraikitra no anisan’ny anenjehana ity sendikalista ity, taorian’ny vaky bantsilana sy ampamoaka nataon’ny AFO Sendikaly misy an’ity Administratera sivily ity mikasika ny kolikoly avo lenta, ka nahavoatonona ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sy vehivavy iray mpanolotsain’ny filoha ary vehivavy mpandraharaha miara-miasa akaiky amin’ny filoha, nandritra ny hetsika tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina ny 10 mey 2016, toy izany koa mikasika ny kolikoly avo lenta ao amin’ny minisiteran’ny Atitany, fa mandoa 20 tapitrisa Ariary dia lasa Lehiben’ny Faritra, 12 tapitrsa Ariary raha te ho lasa prefe, ka nilazan’ny AFO Sendikaly fa hametraka fitoriana any amin’n Bianco momba ireo kolikoly avolenta ireo izy ireo. Raisin’ny maro ho fanampenam-bava ny mpitarika sendika izao fihetsiky ny minisiteran’ny Atitany izao, izay ny praiminisitra Mahafaly Olivier ihany no tompon’andraikitra voalohany ao. Na ny fanambaran’ny fivondronamben’ny Eveka na ny hafatry ny FFKM tamin’ny pentekosta aza mantsy samy nanao io vaky bantsilana amin’ny fisian’ny kolikoly avo lenta eto amin’ny firenena io avokoa. Nilaza moa Ratolojanahary Maharavo fa tsy hampihemotra na hampangina azy izao endrika antsojay ataon’ny minisiteran’ny Atitany aminy izao.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT