Nanao tombana ny zava-nisy teo amin’izay herinandro latsaka kely nanaovan’ny mpiasam-panjakana fitokonana faobe izay, ny mpandrindra sady mpitondra tenin’ny “Cellule de crise interministérielle des Agents de l’Etat”, Atoa Ratoejanahary Maharavo na i Doudou.
Zavatra roa lehibe no tsara hofantarina, hoy izy. Voalohany dia mikasikara ireto mpitondra fanjakana ireto. Ho anay mpitarika, hoy izy, dia mahatsapa izahay fa tsy misy zavatra azontsika fonksionera andrandraina intsony amin’ireo raha ny fitakiantsika no jerena. Nitaky isika dia mbola «réquisiton», fandrahonana, fanapahana karama, fiantsoana any amin’ny BC, fitsarana… no setriny. Inona intsony ary no azo andrandraina amin’izany ? Tapitra hatreo izany fa tsy misy zavatra azon-dry zareo atao intsony. Ny minisitry ny asa sy asam-panjakana, Atoa Tabera Randriamanantsoa anefa tamin’iny herinandro iny, tany amin’ny Faritr’i SAVA dia mbola nitana ny teny nataony ka nilaza indray raha namory ny mpiasam-panjakana tany ary mampahery antsika fa raha mbola izy no minisitry ny mpiasam-panjakana dia tsy hisy fanapahana karama sy fandroahana mpiasa izany. Faharoa dia mikasika ny mpiasa.
Maha te-hidera ny fihetsika nataonareo mpampianatra, indrindra ny mpampianatra heverina ho kely indrindra eto amin’ny firenena, fa noho ny nataonareo SEMPAMA, mpampianatra FRAM no nampifoha ny torimasonay fa tena marina ny voalaza ka nahatonga izao hetsika lehibe ataontsika izao, hoy i Doudou. Ka mbola haveriko, hoy ity farany, fa tsy hisy ny fanapahan-karama izany fa tsy ny DREN sy Cisco no mandoa ny karamantsika fa ny aty ambony ka efa nanome toky ny minisitra fa tsy hisy izany. Ambaranay fa tonga eo amin’ny kihon-dalana hafa isika ankehitriny fa tsy afaka hifampiraharaha amin’ity fanjakana ity intsony fa tsy maintsy hifampiraharaha amin’ny hery hafa.
Ary izany indrindra no hitodihana amin’ny antso amin’ity herinandro hitsahana manomboka ny alatsinainy 16 jolay ity. Inona àry ny zavatra hataontsika manomboka eto ? Hatreto izany isika dia mbola toy ny Malagasy rehetra mbola misalasala amin’ity tolom-bahoaka ity. Ny antony fahitanay azy dia hoe miandry hoe inona no ataon’ny raiamandreny FFKM amin’izao krizy efa mampiaiky volana ny rehetra izao ? Moa ve ianareo dia tsy taitra sy tsy miraika amin’izao zava-misy izao ? Ka miandry anareo izahay hatramin’ny alarobia izao, hoy i Doudou. Raha tapitra izay fe-potoana izay ka tsy tonga ny elanelam-panahy handrasana ny vahoaka Malagasy aminareo raiamandreny dia hiroso amin’ny dingana manaraka izahay mpiasam-panjakana sy ny hery politika rehetra eto amin’ny firenena dia ho hitantsika eo izay ho tohiny. Raiso ny andraikitrareo FFKM, hoy izahay, fa efa latsaka anaty lavaka mangitsokitsoka ny firenena, ny fanjakana mihirim-belona. Ary dia miantso ny rehetra hoe inona no atao fa tsy izy intsony izao fitondram-panjakana izao ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.