Politique

Ratoebolamanana Merci Avelao hody ny filoha Ravalomanana


  • Sabotsy 23 Febroary 2013

“Tsy hitako izay antony hanakanana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara rehefa nifanaiky fa samy tsy hilatsaka izy sy Rajoelina”, hoy Ratoebolamanana Merci na Ramerci, depioten’Antsirabe teo aloha avy amin’ny antoko Arema raha sendra ny Tia tanindrazana ny tenany.

 Nolazainy fa raha ny tiany aza dia tohizana ny fandraisan’andraikitra nataon’izy roalahy izay samy tsy hilatsaka. Mitory ny fandraisan’andraikitra ireny amiko, hoy izy. Raha ny tena tiako, hoy hatrany Ramerci dia mody ary samy mirotsaka hofidiana i Andry Rajoelina sy ny filoha Marc Ravalomanana dia ho hita eo marina izay tian’ny vahoaka ka mifandray tanana fotsiny avy eo.

Mbola ankamantatra

Fa nasian’ity mpanao politika ity resaka ihany koa ny fihemoran’ny fifidianana. Nambarany fa tsy olana ho azy ireo izany satria izay nanao sonia ny tondrozotra ihany no nametraka io rafitra CENI-T io ka tokony hiarahan’ny rehetra manaiky izay tapahin’io rafitra io. Izy ireo rahateo nanamafy fa tsy manana olona ao amin’izao fitondrana tetezamita izao na dia misy aza ireo mitonona ho Arema izay miaraka amin’i Vaovao Bejamin. Nambaran-dRamerci ihany koa fa mbola tena ankamantatra be ny mety hisian’ny fifidianana. Efa nilaza mantsy ny ankolafy Ravalomanana fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana raha tsy tafody ny Dadany. Ny dikan’izany dia tsy hisy fankatoavana ny fifidianana tsy handraisan’ireo anjara ka ho raikitra ny korontana. Iaraha-mahalala anefa fa na ny vondrona iraisam-pirenena aza dia efa misara-kevitra amin’ny fampodiana ity filoha teo aloha ity satria misy ny misakana ary misy ny mampirisika ny fodiany.

Momba ny fampihavanam-pirenena dia nilaza Ramerci fa tsy mivoaka io raha tsy ilay “Conférence au Sommmet” no tanterahina. Nihomehezan’ny olona ny filoha Ratsiraka raha nilaza io resaka io kanefa amin’izao fotoana izao dia mitaky hanaovana azy io avokoa hatramin’ny FFKM izay nitsipaka izany teo aloha. Ny olana dia ny mpanao politika satria tsy heviny ilay izy dia tsy tiana kanefa io ihany no hivahan’ny olan’i Madagasikara. Nohamafisiny fa tsy misy afa tsy ny fampihavanana no hivoahantsika amin’izao krizy izao satria efa tena sahirana ny vahoaka. Nolazainy fa tsy mbola misy olona afaka milatsaka amin’ny anaran’ny antoko Arema izany amin’ny fifidianana ho avy eo raha tsy misy ny fanambarana mazava sy fankatoavana avy amin’ny Amiraly Didier Ratsiraka.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT