Ny fiaingana amin’ny tsy misy na “départ ŕ zéro” no hitako fa vahaolana hamahana ny krizy eto amintsika, hoy Atoa Ratoebolamanana Merci na Ra-Merci eo amin’ny sehatry ny politika.
Tsy ilaina intsony ny fifampihantsiana, hoy izy fa efa samy efa nanao ezaka be avokoa ny rehetra amin’ny fanatanterahana iny sonia tamin’ny sabotsy iny. Aoka tsy harebireby ny saim-bahoaka, hoy ity depioten’Antsirabe taloha ity, fa ilay fifanarahan’i Maputo ihany iny natao sonia teo iny. Tany dia efa be ny ezaka nataon’ny rehetra fa teo amin’ny fanatanterahana no nitoeran’ny olana. Mbola hiverina indray ny olana ara-pitsinjaran-toerana raha ny zava-misy no resahina mazava, hoy izy. Raha ny tokony ho izy dia any amin’ny Antenimiera mpanao lalàna no hiadian’ny ankolafy Ravalomanana mafy hahazoany mandamina moramora ny resaka politika katsahiny ary hifanarahan’ny Ankolafy 3 kosa ny toeran’ny praiminisitra. Nilaza moa ity mpanao politika ity fa izy dia mijanona hatrany ho mpomba ny Amiraly Didier Ratsiraka ao amin’ny antoko Arema nefa dia mijoro hatrany kosa manohitra ny tsy mety. Azo noeritreretina ve, hoy izy, raha ny nahazo anay ny mbola hiarahanay tamin’ny Ankolafy 3 ? Noho ny tombontsoam-pirenena anefa dia nampandefitra ny hambom-po ny tenako ary izany no ilazako fa raha hampilamina ny fiverenan-dRavalomanana dia tsy olana fa raha sanatria hiteraka korontana kosa dia zavatra hafa indray izay.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.