Nanambara tamin’ny ankapobeny ny tomban’ezaka vitan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso ny filohany, Ratiharison Jean Navandahy ary nilaza fa afa-po tamin’ny zava-bita satria naneho ny maha olom-pirenena azy ireo hatrany ny mpikambana.
Raha nanao resa-be ny olona dia ny ‘Za gasy niasa. Asa sosialy no ilaina eto raha te handroso, hoy ny tenany. Teo, ohatra, ny fanampiana ny ray aman-dreny sy ireo mpianatra mpikambana ary fizarana zavatra ilaina hiatrehana ny fety ho an’ireo sahirana. Zava-dehibe hatrany ny fotoana rehetra ary hampiavaka io taona ho avy io ny fisian’ny fifidianana. Maniry izahay mba ho olo-mendrika no hitondra firenena ka mba hanana vina amin’ny toerana hilatsahany ary sahy manao fanamby satria izay no ilaina eto. Mino aho fa efa fantatry ny Malagasy ny toetran’ny mpanao politika ka tsy ho taitra amin’ny fanakorontanana intsony izy, hoy Ratiharison Jean.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.