Miala nenina !
Na teo aza ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na CES, nivoaka tamin’ny 17 aogositra 2013, nanilika an-daharana kandida 8 tamin’ireo 41 efa nankatoavina teo am-piandohana, dia tsy milavo lefona Rtoa Rasolovoahangy Emma Roseline, anisan’ireo kandida voailika. Nambarany, raha nivahiny tao amin’ny onjam-peo tsy miankina “Olivasoa Radio” omaly alahady, fa dia nametraka fitoriana any amin’ny CES, amin’ny fitsarana any Afrika ary any Genève ny tenany, noho ny tsy fanarahan-dalàna sy fanosihosena ny zon’olombelona nataon’ny CES, araka ny filazany. Etsy an-kilany anefa dia nilaza ho vonona hiaraka hiasa amin’ny hafa ny tenany ary tsy manda ny toerana praiminisitra, raha izay no ahafahako manatanteraka ny fandaharanasa efa noeritreretina hampandrosoana an’i Madagasikara, hoy izy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.