Niala tamin’ny fahanginany ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny jeneraly Rasolosoa Dolin ary izay indray vao nahitan-teny taorian’ny nisintahany tsy ho kandida filoham-pirenena ka nankatoavan’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana izany. Tsapako hoy izy ny hadisoam-panantenan’ireo izay nanohana azy, saingy ny tombontsoam-pirenena no tsy maintsy banjinina. Mikasika ny fahanginany indray ny nambarany fa mitandro ny tsy fitanilana ny tenany.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.