Politique

Rasolonjatovo Honoré Mikororosy fahana ny fandraharahana ara-barotra Malagasy


  • Alarobia 08 Febroary 2017

Nisy fandinihana efa natao tamin’ny taona 2009 mba handrindrana ny tontolo fandraharahana ara-barotra eto Madagasikara nefa dia very an-javony fotsiny noho ny tsy fisian’ny fampiharana mazava ny tetikady napetraka,

 

 hoy Atoa Rasolonjatovo Honoré na i Papa Solo mpandraharaha ara-barotra mpiandraikitra voalohany ny tranombarotra mpamongady SOCOMA na Société Commerciale MAhasoa, nampita vaovao fohy tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny trano fiasany teny Anosibe/Anosizato omaly talata 07 febroary. Nambarany fa mikororosy fahana ny fandraharahana ara-barotra Malagasy ankehitriny noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny fanaovan’ny mpitondra nifandimby « copier - coller »  na dika mitovy fotsiny ny nataon’izay nodimbiasany. 44 taona no efa naha-mpandrahara ny tenako, hoy izy, ka fantatro amin’ny antsipirihany ny tontolon’ity resaka ara-barotra ary hasahiako milaza fa mijaly ny mpandrahara ara-barotra Malagasy ankehitriny ary mitotongana izay tsy izy ity sehatra ity. Koa satria ny « libre concurrence »  no mifehy azy hatramin’io 2009 io ka mazava loatra fa voafehin’ny tolotra sy tinady ny vidin-javatra eto amintsika  nefa tokony handray fepetra mifanandrify ny fanjakana rehefa misy ireo mihoa-pefy mampiakatra tsy an-drariny ny vidin-javatra. Hatreto aloha dia mbola tsy voapetraky ny fanjakana nefa tokony hapetrany  ny « Circuit de distribution » handaminana sy handrindrana ity tontolo ity. Mandra-pametraka tsara an’io « Circuit » io anefa dia soso-kevitry ny Socoma ny hanajanonana ny fitakian-ketra amin’ny « redressement fiscale » ataon’ny minisiteran’ny varotra. Ary tsara mihitsy aza raha hajanona amin’ny asany ireo « agents de commerce » misahana an’izany ka soloina « brigade mixte » ahitana zandary sy polisy raha ilaina.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT