Politique

Rasolofo André Be jiolahy ekonomika eto


  • Alakamisy 01 Desambra 2016

Miankina amintsika rehetra ny hoavin’ny frankofonia, hoy ny mpahay toekarena sady mpandinika raharaham-pirenena, André Rasolofo, satria be loatra ny jiolahy ekonomika eto.

 Mody milaza hanao fampandrosoana izy ireo kanefa mpanao afera maizina (affairiste voiturier). Raha ny fitondram-panjakana no andrasana dia tsy hilamina io fa efa hiaraha-mahita izao fa mba mandray anjara koa ny vahoaka miaro ny fananam-pirenena sy miteny. Miantso ny rehetra ny tenako, amin’ny maha ao anatin’ny fampihavanam-pirenena ahy mba tsy hijery afa-tsy ny tombontsoam-pirenena. Ilaina ny fampihavanam-pirenena satria misy fihatsarambelatsihy be dia be eto ary namela ratra ny tantara tamin’ny fandalovan’ny vazaha sy ny talohan’izay. Ilaina ny fampihavanana ara-tantara sy ara-toekarena satria be ihany koa ireo faritra resy dia resy sy mahatsiaro tena fa hiangarana ao anatin’ilay fampandrosoam-pirenena ka mila alamina ireny. Eo amin’ny ara-politika koa dia tena ilaina io satria tsy lojika hoe tsy nisy nahavita ara-dalàna ny fe-potoam-piasany teto fa niongana daholo. Na ny filoha Rajaonarimampianina aza tafiditra ao anatin’io satria efa niharan’ny fanonganana ihany koa izy ny taona 2015. Depiote 121 tamin’ny 150 no tsy nanaiky intsony ny hijanonany teo amin’ny fitondrana saingy teo moa ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana niaro azy tsy hianjera.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT