Mbola mitoetra hatrany ny ahiahy ny amin’ny hahatomombana an-tsakany sy an-davany ny fifidianana, raha araka ny hevitr’Atoa André Rasolo, mpampianatra eny amin’ny oniversite ary efa manana traikefa amin’ny fikarakarana sy fanaraha-maso ny fifidianana.
Nilaza ny CENI-T, roa volana lasa izay, fa efa vita ny 90%-n’ny asa, fa manao ahoana kosa ny fanatanterahana ireo 10% ambiny, hoy izy. Olana goavana raha ny fahitan’i André Rasolo azy ny tsy mbola namaranana ny lisi-pifidianana hatramin’izao. Rehefa tena fantatra mazava tsara anefa ny lisitry ny mpifidy, aorian’ny fanakatonana tanteraka ny fanoratana io lisitra io, izay vao amboarina indray ny kara-pifidianana. Vita izay vao zaraina manerana ny Nosy indray io karatra io. Henjankenjana ny asa, hoy izy, ny fotoana anefa manomboka efa kely satria higadona afaka roa volana latsaka ny datin’ny 25 oktobra hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Ankoatra izay dia hita fa tena mbola hanahirana ny momba ireo mpikambana amin’ny biraom-pifidianana manodidina ny 100 000 manerana an’i Madagasikara. Tsy ampy tsara mantsy ny fampiofanana sy fampianarana azy ireo, araka ny nambaran’i André Rasolo, ka ahiana ny hipoiran’ny disadisa any anaty birao fandatsaham-bato any.
Manampy ireo dia re koa izao fa hoe : mitokona ny trano printy rehetra atsy Afrika Atsimo, any anefa no hanotana ireo bileta tokana efa ho 8 tapitrisa, ka raha tsy mivaha ny olana any an-toerana dia ahoana no ataon’ny CENI-T, hoy izy ? Eto Madagasikara indray ve no amboarina ny bileta tokana fa ny taratasy no hafarana avy any ivelany ? Dia voahaja anefa ve ny fe-potoana ao anatin’izany rehetra izany ? Hafahafa ihany, hoy Atoa André Rasolo ilay hoe hisy ampahana bileta tokana hozaraina eto amintsika mba hampianarana ny mpifidy. Mety hanao izany ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao politika ka hitety faritra. Raha toa anefa ka misy mifamadika tampoka ny laharan’ireo kandida ao anatin’ilay bileta tokana tena izy noho ny olana ara-teknika, ka tsy mitovy amin’ireo bileta tokana nanaovana fanentanana, dia inona indray no hitranga eto ? Mbola tena sarotra ny raharaha, hoy Rasolo André ary ahiana hampisavorovoro ity fifidianana atao maimaika ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.