Nitsidika nijery ifotony ny olana mahazo ny mponina ao amin’ny fokontany Ambohimiadana Nord (Quartier ambadiky ny tsena Ragasy - 28)
ao amin’ny Boriborintany faha-6 eto an-drenivohitra nyy talata 20 desambra maraina teo ny depiote Rasoanoromalala Horace avy amin’ny antoko TIM taorian'ny fiafaran'ny fivorian'ny parlemantera tamin’ity taona ity. Ankoatra ny ranobe avy amin’ny arabe izay mivarina sy mandeha amin’ny tohatra simba ary mivantana any an-tokantranon'izy ireo dia maro ny loto sy fako izay entiny ka mampitaraina ny mponina, na dia miezaka manadio aza izy ireo, eo koa ireo mpandalo manary fako. Fa loza mitatao ho an'ireo mponina ny andrin-jiro Hazo an'ny JIRAMA eny amin’iny toerana iny izay efa mihozongozona ka ireo fil misampantsapana sisa mitazona azy tsy hianjera, ka nangatahin'ireo fokonolona niaraka tamin’ny depiote Horace ny hanoloan'ny JIRAMA azy ho « béton » fa tsy hajanona ho hazo intsony. Marihina fa vy izy ireny teo aloha fa potika vokatry ny riaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.