Politique

Rasoaniaina Malalatiana Tsy midongy hitovy lenta amin’ny lehilahy ny vehivavy MFM


  • Alatsinainy 12 Martsa 2012

Toa lasa mirona amin’ny fikaramana an’ady ny vehivavy manao politika amin’izao fotoana izao, hoy Rtoa Rasoaniaina Malalatiana mpandrindra ny fikambanana Vehivavy Mfm eto amin’ny Faritr’Analamanga.

 Lasa mirona ho fototry ny fampikatsoana ny fampandrosoana sy fitadiavam-bahaolana amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireny. Melohinay ireny fa manjary manimba ny endriky ny vehivavy amin’ny ankapobeny. Raha ny marina, hoy izy, dia miady ny vehivavy hisian’ny miralenta. Izahay vehivavy MFM dia tsy mangataka mihitsy izany miralenta izany fa ny fiarahana mifarimbona amin’ny lehilahy eo amin’ny sehatry ny fandraisana andraikitra. Manarak’izay dia tsy ilainay ny vehivavy mpikaramanady fa mijery ny tena lôjika sy fampiharana tokoa amin’ilay hoe tombontsoa hikambanana. Satria, hoy izy, misy vehivavy tsy milofo intsony izany. Tombontsoa iombonana izao, hoy izy, ny hoe hampitombo isa ny vehivavy amin’ny sehatry ny asa saingy misy ny vehivavy tena sakana amin’ny fampandrosoana ka milaza fa ity no lalana tena izy nefa fantatsika fa ny AGOA dia tapaka noho ny fanonganam-panjakana nisy teto. Vehivavy maro anefa no nanao tantely vaky namonjy ireny orinasa afaka haba ireny taloha saingy tsy nisy intsony noho ny fahatapahan’ity AGOA ity. Aminay dia tokony ho vehivavy modely no hita n’aiza n’aiza. Mpanentana ao an-tokantrano, mpanentana eo amin’ny firenena, mpanabe, mpitaiza. Tsy mandroso ny firenena rehefa atao tsinontsinona ny vehivavy, hoy Rtoa Rasoaniaina Malalatiana satria manana dia manana soso-kevitra azo atolotra ny lehilahy izay hoentina hampandroso ny firenena, ka averiko fa aoka tsy atao fitaovana ny vehivavy ary izahay tsy hidongy hitovy lenta amin’ny lehilahy fa miara-mifarimbona ny vavy sy ny lahy hampandroso, satria ny tsy vitan’ny lehilahy mety ho vitan’ny vehivavy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT