Politique

Rasoanaina Malalatiana “Demokrasia gaboraraka no misy eto”


  • Zoma 16 Septambra 2011

«Demokrasia gaboraraka no misy eto hatramin’ny 2009 no ho mankaty sy ny hetsika rehetra toy ny fanonganam-panjakana», hoy Rtoa Rasoanaina Malalatiana, avy amin’ny vehivavy MFM.

 Ny tena demokrasia, hoy izy dia safidim-bahoaka. Ny zava-misy eto amintsika anefa dia lasa ireo mpanao politika tsy nofidiam-bahoaka no mibahan-toerana, miteny amin’ny anaran’ny vahoaka. Tsy ny vahoaka izay mpanapa-kevitra sy tompon’ny teny farany no miteny fa ny mpanao politika, ny miaramila, hoy ihany ity tompon’andraikitry ny KMSB ho an’ny faritra Atsimondrano ity. Nisy filoham-pirenena nofinidim-bahoaka teo, kanefa dia nohitsakitsahina izany safidim-bahoaka izany, nitsahina ny zon’olombelona, hoy ihany izy. Ankehitriny indray, raha haneho hevitra an-dalambe ny vahoaka dia tsy afaka hanao izany satria tsy mitovy hevitra amin’ny FAT, hoy ihany Rtoa Malalatiana Rasoanaina.

Natsangana, hoy izy ny hoe kianjan’ny demokrasia saingy rehefa vita ny fanonganam-panjakana dia nakatona izany. Lasa manao politika ihany koa ny tafika satria niaraha-nahita, hoy ihany Rtoa Rasoanaina ny nataon’ny miaramila teny Ivato tamin’ny nahatongavan’ireo delegasion’ny Troika. Tsy nikitika mihitsy izy ireo, araka ny fanazavana, kanefa raha ny vahoakan’i Magro no nanao toy ireny dia efa fantatra ny hataon’ny tafika. Tsiahivina anefa, hoy ity vehivavy mpanao politika ity fa mbola ny vahoaka no mandoa ny karaman’ireo miaramila kanefa izy ireo indray no manao herisetra amin’ny vahoaka. Ankoatra ny tsy fahafahana maneho hevitra an-kalalahana dia notsindrian’ity mpanao politika ity ihany koa ny momba ireo haino aman-jery nakatona ary tsy mbola nosokafana hatramin’izao. Amin’izao herinandro natokana ho an’ny demokrasia izao àry dia mangataka ny vehivavy MFM mba hanomezana iray andro fotsiny tena hanehoan-kevitra an-kalalahana, fanehoan-kevitra am-pilaminana. Heverina fa ho tonga any amin’ireo «tompon’andraikitra» izany hafatra izany.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT