Politique

Rasoamalala Odette Brenda «Tsy hihemotra amin’ny ramatahora ny Parlemantera»


  • Alarobia 25 Aprily 2012

Manampy ny vahoakan’Antananarivo amin’ity hetsika an-kianja atao eto amin’ny Magro ity izahay Parlemantera ankolafy Ravalomanana rehetra avy any amin’ny Faritra, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Rasoamalala Odette Brenda voatendry avy any Alaotra Mangoro.

 Ny antony dia iaraha-mahalala fa hatramin’izao dia tsy hita mihitsy ny fanatanterahana ny tondrozotra ka izay mihitsy no tianay hampitaina amin’ny vahoaka amin’ilay hetsika hatao amin’ny sabotsy izao mba ho fantany amin’ny antsipirihany fa tsy mipetrapetra-potsiny izahay fa misy antony. Efa tena latsaka an-katerena ny firenena ary mafy ny mahazo ny Malagasy ka tsy manaiky lembenana intsony izahay ary tsy manaiky horebirebena koa, hoy ny CR Brenda. Na eo aza ny ramatahora atao amin’ny fampitahorana amin’ny basy ka tsy hanomezanay tsiny an’ireo vahoaka mbola mety hisalasala matahotra ny hivoaka ny trano fa raha izahay Parlemantera ao anaty andrim-panjakana dia tsy hihemotra mihitsy izahay.

Ahoana moa no hahasahian’ny mpitandro ny filaminana hitifitra anay ? Voasoratra ao anaty karatray fa tsy azon’iza na iza sakatsankanana izahay amin’ny zavatra mahamety azy fa dia lasa fanjakana mamono fanjakana raha sanatria misy izany, hoy hatrany ity CT ity. Aleo hotsarain’ny vahoaka eo. Aminay dia manana andraikitra lehibe ny Parlemantera hitatitra amin’ny vahoaka ny zavatra nataony tao anatin’ny fivoriana rehetra natrehana ireny, indrindra ny any ambanivohitra rehetra any izay tsy mba maheno vaovao mihitsy. Tsy mahafantatra an’izany Andry Rajoelina izany izy ireny fa ny filoha Marc Ravalomanana no mbola mitantana ity firenena ity aminy. Amin’ny sabotsy dia eto Antananarivo avokoa aloha no hanatanterahan’ny Parlemantera ankolafy Ravalomanana ny tatitra ary hotarihan’ny filoha Mamy Rakotoarivelo izany, hoy Rasoamalala Odette Brenda.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT