Nanentana ny mpiara-mitolona rehetra manerana ny Nosy Rtoa Rasoamalala Brenda amin’izao ankatoky ny hanatanterahana ny kongresin’ny antoko Tiako i Madagasikara izao mba hanatevin-daharana izany antoko noforonon’i Dada izany hahazoana mampitombo ny ambaindain’ny fampivelarana ny tolona ho any amin’ny fakana fitondrana ara-pomba demokratika miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana indray.
Mila mandray andraikitra ny tsirairay avy tsy misy ankanavaka, hoy izy, hiatrehana ny karazam-pifidianana ho avy. Mila mailo tsara koa anefa, hoy izy, mba tsy ireo mpijapy lamasinina indray no hiditra ao anatin’ny rafi-pitantanana an’ity antoko ngeza indrindra eto amin’ny firenena ity, ary ny faniriana ihany koa dia ho eo i Dada vao tanterahina izany kongresy izany satria izy sisa no tena atokisana hitondra ny antoko TIM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.