Politique

Rasamizafy Cyril Tsy te ho tompon’andraikita amin’ny zavatra peta-toko


  • Alatsinainy 16 Aprily 2012

Tsy nanangan-tanana mihitsy aho tamin’ny fifidianana ilay volavolan-dalànan’ny famotsoran-keloka teto aminay CST iny, hoy ny filohan’ny Exopoles Rasamizafy Cyril.

 Tsy anisan’ny mpandany azy iny na nitsipaka koa na tsy nilaza ny hevitra, satria ny amnistia dia goavana eo amin’ny fiainam-pirenena, ilana adihevitra sy fifampiresahana malalaka. Ny fiarahamonina mantsy, hoy izy, no eritreretina amin’io. Aza adinoina fa ny amnistia fidintsika eto anie dia farafahakeliny vondrona iraisam-pirenena, izahay samy izahay antoko ao ary ny fiarahamonina malagasy no mila sy iantraikan’io.

Tsara ve ny mety ho fandraisan’ny vahoaka izay ? Mety ve io zavatray io sa maika fotsiny izahay hanao azy ? Tsy afaka niteny izahay tao anaty efitrano fivoriana fa mety tsy nilaina ny hevitray fa heverina hoe manimba matoa nofeperana ny fotoana nomena hitenenan’ny vondrona parlemantera isanisany ka naleonay nanaja tena nangina, hoy ity filohan’ny Exopoles ity. Ny fiarahamonina no hitsara antsika na mety na tsy mety. Izaho tsy te ho tomponandraikitra amin’ny fireneko amin’ny zavatra peta-toko, amin’ny zavatra tsy mba nametrahana adihevitra lalina. Fa izaho kosa amin’ny maha mpanaja ny etika ahy dia nangina aho fa iny no lany tao.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT