Anisan’ireo tazana teny amin’ny «Villa Elisabeth» omaly, tao amin’ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona nokarakarain’ny ankolafy Zafy Albert, Atoa Rasamizafy Cyril izay nisolotena ofisialy ny Jeneraly Dolin filohan’ny CST teny amin’ity lanonana ity.
Tsy anisan’ireo nandray anjara fitenenana toy ny filohan’ny CT Mamy Rakotoarivelo tazana tao koa izy fa nipetraka ho olona nasaina manokana fotsiny ihany. Tsy nisy teny azoko ambara mahakasika an’izay fisoloantena izay, hoy izy, fa amin’ny maha mpanao politika ahy kosa mpitarika ny Exopoles dia milaza aho fa «kabary nalefa ho an’ny rehetra iny, miantso fandraisan’andraikitra, miantso fahavononana hametraka hoavy mamiratra sy milamina ho an’ny taranaka. Nanao jery todika izy amin’ny maha mpitondra azy dia nametraka hafatra ho an’ny zandry, rahalahy aty afara. Ka ho anay Exopoles manokana dia trafonkena ome-mahery iny, am-bava homana am-po miheritra”. Ao ny tantara tena iraisana, ao ny zavatra mbola mila fandinihana lalina. Fa fisaorana no atao azy izay mahay mamohafoha ny fitiavan-tanindrazana ho an’ny olona tsirairay satria hafatra nisongadina no napetrany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.