Politique

Rasamizafy Cyril Leo adilahy politika ny vahoka !


  • Talata 03 Janoary 2012

Avy any amin’ny renivohitry ny Faritr’i Matsiatra Ambony ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) Rasamizafy Cyril no mampita ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo amin’izao fahatrarana ny taona vaovao 2102 izao.

 Efa leo fiandrasana lava sy adilahy ny vahoaka, hoy izy, ka manainga ny mpanao politika mba tsy hampanjaka ny fitiavan-tena fa hifandefitra ary hijery lavitra sy hibanjina ny fiainam-bahoaka amin’izay fa efa tena reraky ny adim-piainana tanteraka izy ireo. Mila hatsahatra ny fifandirana samihafa tsy mampandroso ity firenena ity, hoy izy. Mikasika ny sori-dalana dia soso-kevitra no atolony amin’ny tokony handrosoana ny hevitra rehetra hodinihan’ireo CST sy CT eny anivon’ny Parlemanta mba hialana amin’ny fitarazohana amin’ny krizy. Ary satria efa ao anatin’ny fitondrana avokoa ireo ankolafy politika rehetra afa-tsy ny ankolafy Didier Ratsiraka nefa misy olony tafiditra ihany ao, dia tsy tokony hiahotrahotra intsony fa handray andraikitra amin’izay ny mpanatanteraka hikatsaka izay fomba rehetra hahatongavana any amin’ny fifidianana amin’izay.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT