Saro-piaro amin’ny tondrozotra ny zanak’i Dada. Lavin’izy ireo, araka izany, izay tetika mety hanakantsakanana ny fampiharana azy, indrindra fa hoe handravana ka hanoloana sori-dalana hafa indray.
“Tsy misy sori-dalana vaovao intsony fa efa ela loatra izay telo taona izay”, hoy ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Niakatra kianja tao amin’ny Magro Behoririka izy omaly nampahatsiahy indray efa hatramin’ny 2009 ny sasany no manaiky hanao fifanarahana hivoahana amin’ny krizy avy eo indray anefa dia mandà ny sonia nataony. Betsaka ny fandeferana nataon’ny ankolafy Ravalomanana, tamin’ny nanaovany sonia ity tondrozotra ankehitriny ity kanefa “rehefa nataontsika sonia dia arahantsika satria ny tarigetra dia ny tsy hampijaly vahoaka”, hoy hatrany ny Me Rasamimaka Mahefalahy. “Inona anefa no miseho akehitriny ?”, hoy izy.
Na ny gonin-tsaribao aza vidiana efatra alina Ariary. Miha manankarena ny FAT nefa ny vahoaka miha mahantra. Rehefa izay dia nanao antso ny tenany. “Aoka tsy hangina intsony ny rehetra fa ity Magro ity no fanantenan’ny vahoaka rehetra sady efa afaka miteny isika”. Ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Randrianjatovo Henri Victor, kosa tetsy andanin’izay dia niantso ireo mpiara-dia sy mpanohana an’i Marc Ravalomanana mba ho mailo mandrakariva amin’ireo mpandrava efa hanao izay hampandamoka ny fampiharana ny sori-dalana amin’izay dia tsy tafaverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana ary tsy ho tonga amin’ny tanjona dia ny hamerina azy indray hitondra ny firenena indray amin’ny alalan’ny fifidianana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.