Voalohany indrindra aloha, satria elaela no tsy tafaresaka tan-gazety isika izay, hoy Atoa Rasambozafy Cyrille mpanao politika, dia faly tenako miarahaba ny Malagasy tsy misy an-kanavaka etoana ary miarahaba manokana ny mpitondra fanjakana tarihan’ny filoha Rajaonarimampianina Hery samy nahatratra ny taona vaovao 2016.
Hitondra hery ho azy ireo anie ity taona 2016 ity ary mangataka amin’Andriamanitra aho mba hanome izany hery izany ho azy ireo fa tena ilaina ny hery satria mitombo ny olana hovahana eto amin’ny firenena ankehitriny. Nanontany ianareo mpanao gazety hoe : raha antsoin’ny filohan’ny Repoblika ve ianao Atoa Sambozafy Cyrille hisahana ny asana senatera dia hanaiky ?. Ny hamaliako azy dia tsotra : “ny hoe antsoina dia tsy izay mihitsy fa hoe : raha hatokisan ny Prezidà fa ilainy aho dia tsy handà velively fa te-handray andraikitra ho an’ny tanindrazako aho”. Ary satria “solidarité de promotion” no misy amin’izao fotoana izao dia anjaranay koa ny manampy amin’ny hirosoana amin’ny famahana ny olana amin’ny hampandrosoana an’i Madagasikara na dia misy aza ny tsy fitovian-kevitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.