Politique

Rasambozafy Cyrille «Mila mitandrina ny mpanao politika»


  • Zoma 27 Jolay 2012

Nahoana ianareo mpanao politika no tsy mety maneho hevitra amin’ny zava-misy rehefa somary resaka mafampana eto amin’ny firenena no miseho fa mianona fotsiny amin’ny hoe : «aoka aloha tsy hiteny fa manahirana fa tsy mbola fotoanany izao» ?

 Navantana tamin’ny CST Rasambozafy Cyrille mpitarika ny Exopoles ny fanontaniana. Tsy mitovy ny nahatongavana eo amin’ny andraikitra izay nomena amin’io fitondrana misy io, hoy izy fa ao ireo niainga tamin’ny tolona, ao ireo havankavana sy namanamana dia nampidirina anaty fitondrana ary ao koa ireo nividy toerana mihitsy. Ka izay olona teny amin’ny tolona, hoy ity Parlemantera ity, dia tsy hamela ny vahoaka ho irery mihitsy satria ny fanovana no nilokalokana hitondrana ity firenena ity. Iaraha-malalala ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’ny resaka tsy fandriampahalemana sy korotam-piarahamonina samihafa, ny afitsoky ny mpitandro ny filaminana sy dahalo. Lojika ny tsy hiresahan’ny mpanao politika ny mikasika ireny, hoy ny CST Rasambozafy Cyrille, satria raha vao diso amin’ny zava-teneniny eo izy dia sady mampihena ny maha izy azy izany no mahazo vahana ny mpanenjika etsy an-kilany. Mila mitandrina, araka izany, fa tsy hoe tsy sahy miteny tsy akory.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT