Politique

Rasambozafy Cyrille “Aza gaga raha hisy Remenabila vaovao hipoitra»


  • Alakamisy 12 Jolay 2012

Vao avy namita iraka nijery ny zava-misy tany amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy ny CST Rasambozafy Cyrille sy ny namany vitsivitsy ka ny mikasika ny raharaha Remenabila manokana no nanaovan-dry zareo fanadihadiana.

 Nambarany fa tsy ny vahoaka amin’iny Faritra Atsimon’ny Nosy iny no te hirongatra fa diso tafahoatra ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana manao iraka fampandriantany any izay manjakazaka sy manararao-pahefana. Sahin’ireto mpampandry tany ireto, hoy Rasambozafy Cyrille, ny maka vola hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ariary eo no ho eo amin’ny Fokonolona andalovany hiatrehana ity fampandriantany ity, hono. Ny an’ny sasany aza dia angalana 5000 Ariary ka hatramin’ny 10 000 Ariary isan’omby ny tompony hoenti-miaro azy, hono. Tsy gaga isika, hoy ity CST ity, raha hisy Remenabila hafa indray hanampy an’io anankiray tsy mbola azo io fa mitondra faisana loatra ny vahoaka.

Notsipihiny mazava anefa fa tsy ny zandary sy miaramila rehetra no ankahalain’ny olona fa ireo tonga manao iraka mampandry tany. Hitanay maso, hoy Rasambozafy Cyrille ny Kalaony anankiray izay nampandohalehana raha naneho ny heviny amin’ny tsy mahamety ny fitondrana ny fandaminan-draharaha ataon’ireto mpitandro ny filaminana ireto. 

 
Novakian-dRasambozafy Cyrille bantsilana koa ny fahasahian’ny iraka mpampandry tany namoaka olona avy ao anaty “violon” dia novonoina mihitsy. Efa nalefa any amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny tatitr’izany sy amin’ny fandorana tranon’olona heverina ho mifandray tendro amin-dry Remenabila izay ataon’izy ireo. 
Ankoatra izay dia nambaran’ny CST Rasambozafy Cyrille fa lasa misy tendrombohitra vaovao ao an-tampon-tanànan’Ihosy noho ny fiavosan’ny fako tsy voaala. Mamapanontany tena, hoy izy, hoe : tsy alefan’ny ministera ve ny volan’ny Kaominina hoenti-manana izany ? 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT