Navantan’ny Tia Tanindrazana tamin’ny CST Rasambozafy Cyrille mpitarika ny Exopoles ny fanontanian’ny maro ankehitriny manao hoe : «tokony hanao vakansy ve ny mpitondra fanjakana amin’izao toe-draharaha eto amintsika izao ?
Mialoha ny hamaliako izay fanontaniana izay, hoy izy, dia misy zavatra tiako hambara. Voalohany, ny vahoaka 20 tapitrisa dia tsy afaka hiteny daholo fa tsy maintsy mandefa solontena. Anisan’ny solontena na an-kolaka na mivantana ireo nanao sonia ny tondrozotra. Ka izay rehetra nisolotena nanao sonia an’io tondrozotra io dia tsy tompon’ny fanapahan-kevitra fa iraka ihany ka tsy tokony hampitahotra na hametraka ahiahy lalandava ny mpikambana ao aminy tsy nanao sonia ny tondrozotra. Antso atao izay ho an’ny olona rehetra izay tokony hahafantatra fa nampindramina fahefana ry zareo nanao sonia tamin’ny anaran’ny namany. Ka tsy ireo nanome fahefana indray no hampitahorina na hanaovana vava ratsy.
Mikasika ny vakansin’ny governemanta dia ilaina fa ny fotoana hakana azy no tsy mety. Satria mbola ao anaty ahiahy ny vahoaka 20 tapitrisa Malagasy. Inona no horaiketin’io 30 andro sy 60 andro izay ao anelanelany ao no anaovan’ny miaramilan’ny SADC sy miaramila Gasy ny tomban’ezaky ny dingana vitany avy. Rahoviana izy io no manomboka, rahoviana no mifarana ? Efa mandeha ve ny tetiandro ? Zavatra tsy mbola niainan’ny Malagasy izay nefa iainany kanefa ny olona heverina fa hitondra an’ity firenena ity dia nomena vakansy hatramin’ny 9 septambra.
Faharoa, efa fantatra mazava tsara ve ny mikasika ny fihaonan’ny prezidà Ravalomanana sy prezidà Andry Rajoelina tany Maputo ? Sa mandefa vinavina daholo ny tsirairay, indrindra indrindra ny Gasy tia mamantatra zavatra miafina. Io no zavatra tena mahaliana azy sy mitarika azy mihitsy aza. Iza no tsy nahita izao fa nisy baomba nipoaka indray teto ? Iza no tsy nahita izao fa misy fanafihana etsy sy eroa ? Inona no ambadik’izany rehetra izany ? Vakansy ilaina fa rehefa tokony hahita tsirim-panantenana hivoaka amin’izao krizy izao ny Gasy… any vao tokony homena an’ireo minisitra antsika ireo na izahay parlemantera ny vakansy. Fa inona moa izao no tokony hanomezana vakansy ny mpanatanteraka ?
Porofoy amiko ny tena zava-bita… raha tsy hoe angamba ny fiverenan’ny ankolafy Ravalomanana izay angamba ny zava-bita. Fa ny fanaovana tolo-bidy amin’ny Sirama mijanona, ny fanapahan-kevitry ny minisitra mikasika ny rano, nahemotra. Mihetsika ny mpiasan’ny Jirama. Izany no vokatry ny asan’ny governemanta. Izany ve no andeha hanomezana vakansy ? Ianao sy izaho no mamaritra, ianao sy izaho no miteny. Ilaina ny vakansy fa ny fotoana nanaovana azy no tsy mety. Mikasika ny fanontaniana amin’ny filatsahana na tsia ho an’izy mianaka dia tsotra ny ambaranay : tsy misy madio ary tsy nisy tsy nanota na ny teo aloha na ny ankehitriny. Andao hifamela hanao tantara vaovao ho an’ny taranaka Malagasy. Andao hifamela fa izay ihany no vahaolana eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.