Politique

Rarison Hilarion “Tsy mbola hisy fifidianana”


  • Talata 19 Febroary 2013

Tsy misy fanafody ho an’i Madagasikara raha tsy tafaverina eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana.

 Mazava ny tenin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy ny CST Rakotonomenjanahary Jean Ernest, fa ampiharina tanteraka aloha ny sori-dalana izay vao miresaka. Nohamafisin’ingahy Fidison fa tsy mbola misy resaka fifidianana raha tsy tafaverina an-tanindrazana ireo sesitany politika rehetra, tafavoaka avokoa ireo gadra politika ary misokatra daholo ihany koa ireo haino aman-jery nakatona noho ny antony politika. Raha tsy izany, hoy izy dia rediredy ihany izany fifidianana izany. Raha ny fahitan’ny CT Rarison Hilarion azy dia tsy mbola hisy ny fifidianana amin’ny volana jolay raha tsy feno ireo fepetra ireo.

Ankoatra izay dia nambarany fa rehefa tsy tanteraka amin’ny voalohan’ny volana aprily, araka ny fe-potoana farany nomen’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana na ny CPS eo anivon’ny Vondrona Afrikanina dia hiroso amin’ny fanesorana an’i Andry Rajoelina izy ireo. Anjarantsika ny mandray andraikitra, hoy Rarison Hilarion. Ankoatra izay dia nasian’ny tetsy amin’ny kianjan’ny Magro resaka ihany koa ny momba ny aretin’i Bebe Razay, renin-dRtoa Lalao Ravalomanana. Tsotra ny resaka ho an’ireo Zanak’i Dada. “Aza avela mody eo Rtoa Lalao Ravalomanana dia ho hita eo ny tohiny”, hoy ny CT Ralaimampisainarinony Manoela, ity farany izay mametra-panontaniana ny fianakaviambe iraisam-pirenena raha toa hanaiky lava ny tsy fanajana ny zo maha olona ataon’ny FAT izy ireo.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT