Politique

Rarison Hilarion Mankasitraka ny tondrozotra ny TIM Fianarantsoa


  • Alarobia 28 Septambra 2011

Miverina amin’ny heriny ny antoko Tiako i Madagasikara ankehitriny. Tafapetraka ao amin’ny Distrikan’i Fianarantsoa ny komity miara-mitantana ny Ankolafy Ravalomanana, tarihin-dRarison Hilarion, izay tsy zoviana amin’ny maro ao Fianarantsoa.

 Naneho ny fijeriny ny raharaham-pirenena ankehitriny izy ireo, ka milaza fa mankasitraka ny tondrozotra izay nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011 teo. Nanamarika anefa Rarison Hilarion fa tsy misy lalana afa tsy ny fifamelana sy ny fiaraha-mitantana ihany anefa no fahendrena ahafahana mivoaka amin’ny krizy sy hanaovantsika fifidianana malalaka hidirana amin’ny Repoblika vaovao. Raha olona mikasa hitondra firenena na fanjakana na vahoaka dia tsy tokony hanana eritreritra valifaty politika satria kodiaran-tsarety ny fitondrana ka mety ho lasan’olona io rahampitso raha anao ny androany, hoy izy. Ohatra velona ho antsika Malagasy ny firenena Afrika Atsimo izay nahitana fanavakavaham-bolonkoditra mahatsiravina nifandonan’ny mainty hoditra sy ny fotsy hoditra ka nidiran’ny Filoha Nelson Mandela am-ponja nandritra ny 27 taona. Rehefa tafavoaka ny fonja anefa ny Filoha Mandela dia tsy namalifaty mihitsy na nitaona ny namany hankahala na hanakorontana ny fotsy hoditra fa nanentana kosa ny famelan-keloka, hoy Rarison Hilarion.

Aiza anefa no misy ny firenena Afrikanina tatsimo ankehitriny, raha ny fiarahamonina sy ny fandrosoana no jerena ? Raisina ohatra koa ny fahendren’ny razantsika izay nitolona ny fahafahana tamin’ny 1947, ho izy nanohy ny fanazavana. Firy tapitrisa moa ny Malagasy notifirina tamin’ireny vanim-potoana ireny kanefa tsy niaka-dapa na nilahatra an-dalambe na nandroba fananan’olona ? Eny fa na dia nanana ny fitakiana rariny aza isika dia tsy nametraka ho fahavalo na namalifaty ny Frantsay fa mbola miara-monina sy miara-miasa aminy mandraka ankehitriny. Ny vazaha frantsay aza navelantsika ny helony ka mainka ve isika samy Malagasy indray no tsy hifamela heloka, hoy Rarison Hilarion. “Andao isika hifanome tanana sy hifamela ary hiara-mitantana amin’ny fitondrana ity firenena mamintsika ity, hivoahana amin’ny krizy !”. Mba hanatanterahana izany, hoy ity mpitarika ny Tiako i Madagasikara, Distrikan’i Fianarantsoa ity, dia avoaka daholo ireo gadra politika, avela mody ankalalahana an-tanindrazana ireo sesitany rehetra ary averina an-dakazerina ny tafika rehetra fa tsy atao fitaovana politika. Raha tanteraka izany dia mora amintsika ny hamerina indray ireo mpamatsy vola avy any ivelany, hoy izy namarana ny fanazavany.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT