Marina fa nahazo baiko tamin’ny prezidà Marc Ravalomanana izahay fa hanaja sy hanohana ny fitondrana tantananao ka tsy hivadika amin’izany......
Tsy maintsy manitsy anao kosa anefa izahay sao hanenenana fa manomboka miakatrakatra ny feom-bahoaka ankehitriny, hoy ny CT teo aloha Rarison Hilarion tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Manitsy izahay, hoy ity mpitari-tolona ity, satria sahy milaza an-kitsirano ny olonao fa hoe tsy te-hody, hono, i Marc Ravalomanana ary dia arirarira ihany koa ny pasipaorony. Izahay hoy Rarison Hilarion dia tsy maintsy mitabataba foana raha tsy mbola tafody an-tanindrazana i Dada Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.