Politique

Rarison Hilarion “Gidragidra no hisy eto raha tsy kandidŕ i Dada”


  • Talata 31 Janoary 2017

Tsy azo ekena intsony ny “Ni-Ni”, fa ampy ny fandeferanay nanaiky nanohana kandida avy amin’ny antoko hafa tahaka ny niseho tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 lasa teo,

 hoy ny mpikambana tao amin’ny kongresin’ny  tetezamita teo aloha, Rarison Hilarion - TIM Matsiatra ambony, satria efa eto an-toerana i Dada Ravalomanana Marc, ka avelao ny vahoaka Malagasy haneho malalaka ny safidiny, satria izany no nahatonga antsika ho latsaka an-katerena sy anaty fahantrana mangitsokitsoka ka nihinana am-bolony fotsiny ny mpifidy tamin’ny fifidianana farany teo noho ny fanerena nataon’ny Iraisam-Pirenena.Tsy tompon’andraikitra amin’ny zavatra mety  hiseho izahay ary vavan-kisoa misy sira io ka asakasak’izay hihinana azy. Ahiana hisy eto ny 2002 “bis” raha misy ny fanilihana an’i Dada tsy ho kandidà ary basy atifi-kavana ny anay ka arangaranganay satria izahay tsy mipi-maso mamono voay. Madio tanana i Dada no tsy meloka ary mbola mamim-bahoaka.

Porofon’izany ny fisian’ireo vahoaka marobe nitolona teo Ankorondrano, Ambohijatovo, Magro Behoririka isan’andro. Tsy nokaramaina fa vokatry ny fo feno fitiavana na dia sesitany aza i Dada nandritra ny 6 taona. Ka na dia nanohana soavaly belohalika aza izahay nanohana ny Dr Jean Louis Robinson, dia nandresy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany teo anatrehan’ny kandidà 33, satria nanaiky ny baiko napetrak’i Dada ny mpifidy Malagasy. Nangalarana anefa tamin’ny fihodinana faharoa. Koa na dia teo aza izay dia mbola noporofoin’ny vahoaka an’Antananarivo ny fitiavany an’i Dada sy Neny ka lany Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra i Neny Lalao Ravalomanana miaraka amin’ny Mpanolotsaina TIM sy Solombavambahoaka maro. Tsy avelanay mora ny fitiavana an’i Dada sy Neny ka arovanay ary kandidà i Dada amin’ny 2018.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT