«Aleo hilatsaka hofidiana daholo na Ravalomanana na Rajoelina dia hotsarain’ny vahoaka izy roa lahy», hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Fianarantsoa, Rarison Hilarion.
Araka ny fanazavany dia tsy manana olana amin’ny resaka fifidianana i Marc Ravalomanana fa i Andry Rajoelina no sahirana. Raha ny voarakitry ny fifanarahan’i Cotonou mantsy dia tsy mahazo milatsaka hofidiana ka hitondra fanjakana ny naka ny fahefana tamin-kery. Tsy mbola voafafa ihany koa, raha ny fanazavana ihany fa dia “anisan’ireo 109 nosazian’ny Vondrona Afrikanina i Andry Rajoelina”.
Fahotana koa no nataon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny taona 2009 satria nanokana olona tsy ampy taona ho filoha, hoy ihany Rarison Hilarion. Ankoatra izay dia nambarany fa diso lalana ireo milaza azy ho mpitondra fanjakana amin’izao. Raha niandry fifidianana ara-dalàna, hoy izy dia hafa ny zavatra nitranga. Fanonganam-panjakana anefa no natao ka dia potika tanteraka izao ny firenena. Anatra tanteraka ho an’ny vahoakan’Antananarivo tsy nahazo nanefa ny adidiny ny zava-misy amin’izao, hoy ihany ity mpanao politika ity.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.