Politique

Raoera Chandoutis Mitaky ny hanomezana sehatra ny vehivavy amin’ny fandaminana ny krizy


  • Alatsinainy 27 Mey 2013

Tsy hita taratra mihitsy ny fampandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena, araka ny fanazavan’i Chandoutis Raoera amin’ny maha mpikarakara ny miralenta sy ny zon’olombelona azy.

Ny vehivavy mantsy no mpandamina voalohany ao an-tokantrano ao. Raha tsy misy azy ireny dia sahirana avokoa ny rehetra. Traikefa tokony hoentina handaminana ny firenena ihany koa fa tsy hijanona ao an-tokantrano fotsiny ihany. Somary nahavariana ihany ny tsy fampiantsoana ny vehivavy tompon’andraikitra mba handray anjara tamin’ireo karazana dinika fanelanelanana niarahana tamin’ny filankevitra Fampihavanana Malagasy, ny tafika… Mikasika ireo mpiara-miombon’antoka any ivelany kosa dia nanambara Raoera Chandoutis fa tsy misy azo ailika na ry zareo avy any ivelany na isika tompon-tanindrazana. Amin’ny maha vehivavy ny vehivavy dia tokony ho vitan’ireto farany ny mamaha ny olany amin’ny alalan’ny fizarana fitiavana anatin’ny filaminana. Nohamafisiny ihany fa ilaina ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena eto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT