Politique

Raoera Chandoutis “Fotoana izao hifamelan-keloka”


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011

Nomarihina omaly manerantany ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fifamelan-keloka lehibe.

 Nilatsaka andro alahady ny 18 septambra tamin’ity, nefa tsy navelan’ny fiarahamonim-pirenena, indrindra ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona handalo fotsiny izany. Nisy ny hetsika nokararakain’izy ireo tao Vohipiraisana Ambohijatovo Atsimo nanamarihana izany. Vavaka, fijoroana vavolombelona, fanentanana hisian’ny fifamelana no nanamarika ny fotoana, izay nanontolo andro mihitsy. Mandia fotoan-tsarotra ny firenena, sahirana ny vahoaka vokatry ny fifandroritana eo amin’ny lafiny politika. Fotoana izao hifamelan-keloka. Atomboka eo anivon’ny tokantrano izany, mitatra amin’ny fiarahamonina sy ny toeram-piasana ary mipaka amin’ny firenena, hoy Rtoa Raoera Chandoutis, filohan’ny Komity nasionalin’ny fifamelan-keloka lehibe, izay ivondronan’ny fikambanana maro toy ny Zon’olombelona Mijoro, Acces Zon’olombelona, MAMPAFI, FIAM…, tompomarika tamin’ity hetsika tao Vohipiraisana omaly ity. Tanjona tao anatin’ity ny hampifanatonana ireo tsy mifanara-kevitra, ireo manana olana mba hamitranana indray ny fihavanana araka ny soatoavina Malagasy, ary koa hampanjakana ny fifankatiavana araka ny voalazan’ny Soratra masina.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT