Manomboka miha sarotra ihany ny hinoana fa hisy fifidianana ho vita amin’ity taona 2012 ity.
Tamin’ny herintaona tahaka izao mantsy dia, azo ambara fa mbola nilamina ny toe-draharaha, tsy dia nahery vaika loatra ny fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa, ary tsy nisy izany hoe afaka nidina an-dalambe teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ka namakivaky an’Analakely-Ambohijatovo ary tonga hatrany Anosy izany, tahaka ny nataon’ny mpianatra farany teo. Na dia tamin’ny datin’ny 13 mey 2011 aza dia tsy afaka natao izany nanatitra voninkazo teo Analakely izany. I André Rasolo, mpikambana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena moa dia vao nanamafy mihitsy ny sabotsy 19 mey teo, fa sarotra ny hisian’izany fifidianana madio sy mangaraharaha izany, raha toa ka tsy afaka maneho hevitra an-kalalahana ny olom-pirenena.
Maro be ny olona hita fa mitovy hevitra aminy, satria izay no nambara fa fanovana nentina teto, ka nanokanan’i Andry Rajoelina ny Kianjan’ny demokrasia ny 17 janoary 2009. Ankehitriny anefa toa lasa mpitari-bato vilam-bava ihany ny filohan’ny tetezamita. Ary izay rehetra te haneho hevitra ao amin’io kianja io dia tsy maintsy jenjin’ny lakrimozenina avokoa. Raha vao mba miteny sy sahy manakiana ny fitondrana ankehitriny, dia ambara fa hanongam-panjakana na manohintohina ny filaminana anatiny, hoy ny raim-pianakaviana iray. Miha mafy hatrany anefa ny krizy ary mitombo hery tahaka izay koa ny fanoheran’ny olona ny tetezamitan-dRajoelina. Ny olona tsy te hahalala fa dia ny filoha mpitarika ihany no tompon’andraikitra voalohany amin’izy ireo. Izay tsinona no lesona nomena teto tamin’ny 2009. Koa raha atao ny kaonty tsotsotra dia tokony hiatrika fifidianana isika afaka dimy volana.
Sarotra ihany anefa ny toe-draharaha satria ny tany aza tsy milamina, ny olona tsy afaka maneho hevitra fa voadaroka foana isaky ny midina an-dalambe. Ny kianja akatona, any an-tany efitra no tadiavin’ny mpitondra handahan-teny ireo manan-kevitra. Any anaty parlemanta dia manao didin’ny be sandry ny ankolafy Rajoelina, izay maro an’isa, hany ka ny hevitr’izy ireo ihany no tsy maintsy ekena. Miakatra koa ny feo ary miteraka fimenomenomana any amin’ny Faritra ny fananganana ireo rantsamangaikan’ny CENIT, satria dia misy ny vondrona na fikambanana na antoko politika, mahatsiaro tena ho voahilika tsotra izao, ka dia ireo tsaratsara resaka amin’ny antokon’ny fitondrana ihany no mahazo toerana. Raha tsy misy arak’izany ny fifampiresahana tena matotra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany dia efa nofinofy sahady ny mety hisian’izany fifidianana amin’ity taona ity izany, satria vao maika hampisara-bazana sy handrehitra ny fifandrafiana eo amin’ireo mpifanandrina politika io fifidianana io, raha mbola mafampana tahaka izao foana ny toe-draharaha.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.