Hisokatra anio alarobia amin’ny fomba ofisialy eto Antananarivo Renivohitra ny fivoriamben’ny AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien).
27 ny ben’ny tanàna handray anjara amin’ny fivoriana ka ny 9 avy eto an-toerana ary ny 18 avy any ivelany. Hivoitra aorian’ny roa andro hihaonan’ireo olom-boafidy tompon’andraikitra avy amin’ireo tanàn-dehibe sy vondrom-bahoaka eto anivon’ny Ranomasimbe Indianina moa ny fitsanganan’ny birao vaovao hitantana ny fikambanana, ny fankatoavana ny volavolana sata vaovao, ny tanàna hisy ny foibe vaovao ary ny toerana handray ny fivoriambe manaraka. Hiditra ao anatin’ny lahadinika isan-karazany kosa ny fampidirana ireo mpikambana vaovao, ny tatitra momba ireo asa vita nandritra ny taona 2016 miaraka amin’ny drafitrasa hotontosaina mandritra ny taona 2017. Efa nisy moa omaly ny fivorian’ny biraon’ny AVCOI ka voafidy ho filohany Rtoa Lalao Ravalomanana ben’ny tanànan’Antananarivo, 3 taona ny fe-potoam-piasany ary filoha mpanampy kosa ny ben’ny tanànan’i Port Louis-Maorisy Mohammad Oumar Kholeegan. Andraikitra goavana tokoa satria izy ireo izany no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampandrosoam-paritra miainga avy amin’ireo kaominina rehetra ato anatin’ny ranomasimbe Indianina.Hitohy etsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny fihaonambe anio, sady hanaovana ny fanokafana ofisialy.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.