Nandritra iny taon-dasa iny dia tsy nandrenesam-peo firy ny minisitra teo aloha, Ranjivason Jean Théodore, izay ao amin’ny antoko Matsilo saingy saika nahitana azy kosa ny ankamaroan’ny fivorian’ireo vondrona politika izay nilaza azy ho tsy manaiky intsony ny zava-misy ankehitriny.
Nanazava ny tenany fa anton’ny fahanginany ny famelana ny fitondrana mijoro ankehitriny hanao ny asany aloha. Fotoana hitenenana kosa izao, hoy izy, satria ny 74%-n’ny mpiray tanindrazana dia tsy an’asa na manana ihany fa tsizarizary. Noho izany dia vahaolana tokony hatao vaindohan-draharaha io resaka fampanana asa io. Ny fanasoasoana ny mpitondra no misy hatreto ary ny fanakanana antoko mpanohitra haneho hevitra dia fisakanana ny tsy hivoahan’ny vaovao manerana ny nosy fa famelana feon-dakolosy tokana. Tsy misy intsony amin’izao mino fa ho tafavoaka ity firenena ity, hany ka mibirioka avokoa ny mpitondra sy ny vahoaka ka anton’ireny fitsaram-bahoaka sy fanaparam-pahefana ireny.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.