Firenena tsy misy lohany. Latsaka anaty kizo sy savorovoro tanteraka ny fitantanana ny fanjakana eto Madagasikara manomboka anio, raha araka ny fahitan’ny profesora Ranjeva Raymond azy.
Ho an’ity manampahaizana momba ny lalàna sy ny siansa politika ity mantsy dia tsy maintsy mametra-pialana ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina anio, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fanapahan-kevitry ny CES, noho izy kandida ofisialy rehefa neken’ny CES ny antontan-taratsy filatsahan-kofidiany. Raha tsorina dia tsy misy filohan’ny tetezamita izany eto Madagasikara nanomboka amin’ity 24 mey ity. Midika izany fa raha toa ka mbola misy zavatra atao mba hitazonana an’i Andry Rajoelina eo amin’ny toerany na koa fandraisana fanapahan-kevitra toy ny didim-panjakana na koa lalàna, aorian’ny anio, dia efa fanosihosena tsotra izao ny fanjakana tan-dalàna izany, hoy ny profesora Ranjeva Raymond.
Mahakasika ny fifidianana amin’ny 24 jolay ho avy izao kosa dia manamafy ity farany fa ny fitondrana entin’ny mpanongam-panjakana izay sady tsy ara-dalana no tsy ara-drariny mihitsy no afaka mikarakara fifidianana madio sy mangarahara, azo itokisana ary eken’ny rehetra ! Tsy ara-teknika fotsiny ny olana fa tena ara-politika, hoy ity manampahaizana momba ny lalàna ity. Mametra-panontaniana koa izy ny amin’ny hoe : moa va mbola hanohana sy hiaro hatrany izao fitondrana tsy ara-dalana izao ny foloalindahy ? Tsy efa fotoana ve izao, hoy i Ranjeva Raymond hikarohana lalana hafa mba hamahana ny krizy, tahaka ny dinika karakarain’ny FFKM ohatra.
Efa roa taona izao no nanizingizinan’ny Pr Ranjeva Raymond fa tena fitondrana jiolahimboto no misy eto, ary nosihosena tsotra izao ny lalàna. Izany no mahatonga antsika tsy mety milamina raha ny fomba fijeriny satria, ny fomba hitondrana ny firenena sy hitantanana ilay famahana ny olana mihitsy no tsy mety ; ary hita taratra foana ilay finiavana handika lalàna sy hanilika ny hafa rehefa misy ny zavatra atao. Nanohana ary hita fa hanohana hatramin’ny farany ny hetsika fampihavanana ataon’ny Fiangonana ny Profesora Ranjeva Raymond, ary vonona ny hitondra ny traikefany amin’ny famahana ny krizy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.