Atoa Ranjeva Raymond no nofinidin’ny herivelona rehetra, nahitana mpanao politika, fikambanana, fiarahamonim-pirenena, mpandraharaha, mpiasam-panjakana, olon-tsotra, nivory tetsy amin’ny La Rotonde Besarety omaly ho mpandrindra ny Vovonana hampanjaka ny tan-dalàna eto amin’ny firenena.
Nahitsy sy nazava ny teniny nilaza fa “Etat sauvage” no misy eto Madagasikara ankehitriny. Leo ny olona amin’izao fotoana izao fa na ny mpanao politika na ny fiarahamonim-pirenena dia tsy ahitam-pahombiazana eo amin’ny vokatry ny andraikitra sahaniny avy. Lasa varotra ny resaka fifidianana, hoy izy. Adivarotra fanehoan-kevitra politika ny resaka tan-dalàna samy takian’ny rehetra. Ny toky fitaka fa ny zava-misy no jerena, hoy ity mpitsara iraisam-pirenena ity. Tsy misy manaiky ny vondrona iraisam-pirenena fa ankatoavim-bahoaka ny fitondrana ankehitriny. Tsy misy manaiky ny lalàna ataon’io fitondrana tetezamita io ny olona. Tsy maintsy hajanona sy faranana izao «Etat sauvage» misy ankehitriny izao fa mamoafafy, hoy Atoa Raymond Ranjeva nanohy ny teniny, ary hatsangana ny fanjakana tan-dalàna hitantana ny fifidianana. Tsy tsangan’olona hanamarina ny toerany anefa no hanao an’izany fa ny Vovonana handinika tsara ny fifanentanana sy fifampizarana andraikitra.
Ka tsy mpandrindra tokana hanjakazaka akory no mijoro fa olona hanao izay hijoroan’ny sampana rehetra ahombiazana. Na dia misy telo aza ny lalana ahatongavana amin’izany dia tsy mety ny resaka fanonganam-panjakana satria hisy hatrany ny valifaty ka lasa mihodinkodina tsy tafavoaka n’aiza n’aiza eo isika. Tsy mety ihany koa ny lalana fijerem-potsiny ny zava-misy fa ny hatao dia ny fijoroana sy fitenenana amin’ny fahamarinana ka hajoro amin’ny alatsinainy izao na dia ho vonjimaika aza ny vondrona hanatanteraka ny tanjona. Endrika niavaka tazana tetsy Besarety omaly ny Dr Emmanuel Rakotovahiny, Zazah Ramandimbiarison, Pasitera Philibert Ramamonjisoa, Ramino Jean, Rtoa Raharimalala Louisette, Ravololomanana Lalatiana, Dr Joseph Randriamiandrisoa, Robert Razaka, Beza Seramila, Me Willy Razafinjatovo na Olala, Razanakoto Marcellin …
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.